Edito

Ratsy toerana


  • Talata 26 Aprily 2011

Mahafantatra tsara ny asany ihany ve sa tsy manana andraikitra mazava dia mamorona asa hatao sa tena namoronana zavatra atao mihitsy ry zareo ao amin’ny ministeram-panjakana misahana ny fifandraisanan’ny andrim-panjakana ?

Maro mantsy no tsy mahazo tsara ny andraikitr’ity ministera tantanan’i Yves Aimé Rakotoarison ity. Nanambara ity farany fa hisy ny karazana atrikasa hokarakaraina isam-paritra ka hakana ny hevitry ny olom-pirenena ny amin’ny rafitra tian’izy ireo hapetraka hitondra mankany amin’ny fifidianana. Tsy izany ve no efa nananganana ny CENI na ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ? Raha misy ny fanatsarana dia ampiana ny isan’ireo mpikambana, araka ny voasoratra ao anatin’ilay sori-dalana. Hafahafa ihany araka izany ity fanambaran’ny minisi-panjakana Yves Aimé ity ny amin’ny hoe hisy ny atrikasa hotanterahan’ny ministera tarihany manerana ny nosy hakana ny hevitry ny olona, satria efa misy ny rafitra hikarakara ny fifidianana, ary ny ao amin’ny fitondrana tetezamita aza dia manitrikitrika fa efa tena mandeha tsara mihitsy ny asan’ny CENI ary tsy olana ny vola fa misy.

Maro no mahita fa sarotra faritana mihitsy ny tena asa aman’andraikitr’ity ministeram-panjakana misahana ny fifandraisan’ny andrim-panjakana ity, indrindra fa mandritra izao fitondrana tetezamita izao. Ahiana mihitsy ny hisian’ny fifanitsahana andraikitra satria tsy maintsy izay no mitranga rehefa manjavozavo ny andraikitry ny departemanta iray, ary tena ho sahirana ingahy Yves Aimé Rakotoarison satria ho mora ho an’ireo mpanenjika azy ny hanakiana vantany vao misy ny zavatra kely tsy mety, ny fotoana naharitra nitadiavana birao hiasana aza efa niteraka resabe koa raha ny asa atao mihitsy no tsy mazava dia asa fotsiny.

Dia mibaribary izao fa toerana politika izy ity ary departemanta noforonina tampotampoka mba hampidirana ireo natao hoe zanak’i Dada. Ireo mpandinika ny raharaha politika aza dia mahita fa mety ho hailika tampoka ao anatin’io governemanta io mihitsy i Yves Aimé, satria efa izay no tetika tany am-boalohany, mody ampidirina ao anatin’ny sambo aloha, dia hanaovana toetra tsy zaka sy hilam-baniny dia hailika tsimoramora dia tafavoaka ny sambo ihany rehefa avy eo. Ary izay vao tena ho ratsy ny raharaha. Ratsy toerana ihany arak’izany i Yves Aimé Rakotoarison raha niditra tao anatin’ny governemanta ary tena mila mitandrina amin’ny zavatra ataony !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT