Vao dila ny fetin’ny paska dia efa mipoitra daholo indray ireo fitakiana sy fitokonana, ny olana isan-karazany. Manomboka mampiaka-peo ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama fa hoe tena fampandriana adrisa ilay fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy mainkina saika hatao amin’ny fitantanana ny Jirama Mandroseza sy any Toamasina.
Efa tena famarotana ny Jirama io, hoy izy ireo ary hitarika fandroahana mpiasa. Mafampana ihany koa ny resaka fitaterana an-dranomasina taorian’ny fanendrena ilay tale jeneralin’ny Apmf. Hatreto, tsy mbola voavaha ny olan’ireo « inspecteurs de travail », ny eny amin’ny oniversite ihany koa dia efa mamofompofona grevy. Raha nisy famelabelaran-kevitra tany Paris renivohitr’i Frantsa, herinandro mahery lasa izay dia nisy ny fanakianana henjana dia henjana ny fitondrana Rajaonarimampianina ary nivoaka mihitsy aza ny tombantomban’ny manampahaizana iray fa mety horaisin’ny miaramila indray ny fitondrana eto Madagasikara. Mifanojo amin’izany dia manara-maso akaiky antsika ny FBI (polisy federaly Amerikanina) sy ny CIA (sampam-pitsikilovana Amerikanina) ary efa tena tsy mahatoky ny resaka filaminana eto intsony ireo diplaomaty vahiny monina sy miasa eto. Ratsy ny afera, hoy ny firesaky ny tanora ary tena mila mihetsika ny fitondrana mamaha olana fa tsy variana manao politika politisianina fotsiny e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.