Miara-miaiky ny maro ankehitriny fa tena midina ny fahaizan’ny zaza malagasy, ary arakaraky ny hiakarany lakilasy no mampihena izany fahaizana izany.
Ambony ny tahan’ny afaka CEPE, dia midina izany ao amin’ny BEPC, dia mbola mihena mihena ihany amin’ny Bacc dia tena an-kavitsiana no manohy ny fampianarana ambaratonga ambony, ary mbola vitsy dia vitsy no tena mahavita hatramin’ny farany ny fianarana eny amin’ny oniversite izany. Vao maika moa nanimba ny tontolon’ny fampianarana ny krizy satria nivahavaha sy tsy voaara-maso tsara tahaka ny sehatra rehetra ny tontolon’ny fampianarana. Mbola hita mibaribary koa ny fidiran’ny politika ka matetika olona tsy tokony ho eo amin’ilay toerana no apetraka eo. Eo ihany koa ny resaka akamakama dia izao no vokany : ratsy ny naotin’ny mpiadina amin’ny taranja tantara sy jeografia ho an’ny sokajy A1, dia ratsy tahaka izany koa ny naoty amin’ny taranja siantifika ho an’ny ao amin’ny sokajy C sy D. Dia efa azo eritreretina sahady fa hihena ny tahan’ny afaka bakalôrea amin’ity taona ity. Tsy dia ny fahamaroana na fahavitsian’ny afa-panadinana loatra anefa no tena zava-dehibe fa ny fahalalana sy fahaizana azon’ireo mpianatra, izany hoe ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny ankapobeny.
Tsy hanara-penitra mihitsy izany raha mbola tsizarizary ny sekoly ianarana, raha mbola sahirana ara-bola isam-bolana ny mpampianatra ka manao asa an-tselika etsy sy eroa ka manjary tsy mifantoka amin’ny tena asany intsony. Fa ny tena loza dia toa lasa voatefy handray vonona sy tsy hikaroka intsony ny sain’ny mpianatra, noho ny fisian’ireo fianarana an’elakelan-trano izay niroborobo fatratra tato anatin’ny 20 taona izao. Tsy vitsy ihany koa ny sekoly mitady fotsiny izay paikady hahamaro isa ny mpianatra afa-panadinana ao aminy fa tsy tena manabe. Mibaribary ihany koa fa tsy voatohatry ny Malagasy ny fibosesehan’ireo fomba fanao sy sivilizasiôna avy any ivelany, koa manenjika ny an’ny hafa isika, kanefa tsy mahafehy ny an’ny tena akory. Noho ny fahasahiranana dia tsy dia manana ampaham-potoana hanaraha-maso ny fianaran-janany sy izay ataon’izy ireo ny ankamaroan’ny ray aman-dreny, hany ka manao izay maha diavolana ny sainy sy ny fony fotsiny ny ankizy ary manomboka tsy mahay manaja olona sy tsy matahotra n’iza n’iza intsony.
Tsy azo lavina ihany koa fa fampianaran-dratsy ho an’ny tanora, ny zava-nisy teto nanomboka tamin’ny 2008 ireny, raha nisora-tena ho misolotena azy ireo Atoa Andry Nirina Rajoelina, ka nilaza fa mahavita azy ny tanora, ka aoka izay ny momba ireo dinôzôro. Ny tsikaritra taorian’io dia lasa niha nahazo faka tamin’ny tanora ilay toe-tsaina manohitra sy mieboebo fa mahavita azy, satria izay no ohatra hitany ary mbola iainany amin’izao fotoana. Mety tsy nandinika tsara ny mety ho vokatry ny zavatra nataony angamba Atoa Andry Rajoelina fa dia nanao izay nambaboana fotsiny ny fon’ny tanora, dia izao manomboka iaraha-mahita izao ny voka-dratsiny. Hiverina eto indray ilay hoe : «génération sacrifiée» nampalaza ratsy ny Repobika faha-II ary mampatahotra ny hoavin’ity firenena ity afaka 20 taona any ho any, satria ireo ratsy naoty sy afa-panadinana noho ny risoriso no ho tompon’andraikim-panjakana ambony sy hanao politika !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.