Edito

Ratsy fiainga


  • Talata 18 Septambra 2018

Hiatrika fotoana goavana hanova ny tantaram-pirenena ny Malagasy ato ho ato.

 Mipetraka sahady anefa ny fanontaniana hoe mba hanova ny tantara ho amin’ny tsara ve ity fifidianana ho avy ity sa vao mainka hitera-doza vaovao indray ? Ratsy fiainga. Izay hatreto no azo hamehezana ny odidin-java-misy mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny. Isika mihitsy ve no efa voaozona hiaina anaty fahantrana mandrakizay sa efa misy fanahina tantara ratsy na ilay antsoin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fanahy hoe “mauvaise réincarnation de l’histoire” midongy hitoetra mandrakariva eto amin’ity nosy ity ? Raha ny tondro rehetra aloha hatreto dia mampanahy be foana na dia nanome toky fatratra aza ny mpitandro ny filaminana fa hanao izay faraheriny mba hiainana anaty fifidianana ombam-pitoniana. Mpitandro ny filaminana misy manondrana, ny mpiambina ny praiminisitra koa namoa-doza. Mbola mivoaka indray avy eo ny fiarovana ilay efa nanao hadisoana hoe zon’izy ireo, hono, ny manivaka rehefa maika. Zony koa ve izany ny tsy mijery lalana, indrindra tsy mijery olona sy ankizy kely. Miha romotra amin’ny manampahefana ny olona ary efa tsy mahafehy ny fihetsiny loatra intsony fa sahy maneho ny hatezerany amin’ny fomba hita maso. Nisy tamin’ireo tany amin’ny faritra aza moa sahy nanambara fa rehefa tsy handray ny andraikiny ny manampahefana sy ny mpitandro ny filaminana fa vao mainka indray hiseho ho modely ratsy dia izy ireo mihitsy no hirotsaka an-tsehatra hifehy ny toe-draharaha. Ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-dahalo aman-jiolahy tsy lazaina intsony. Hiroso ? Hihemotra ? Sa inona no tokony hatao ?

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT