Laharana faha-123 amin’ny firenena 178 i Madagasikara raha ny tahan’ny fanaovana kolikoly no jerena. Io no tatitra navoakan’ny Transparency International ho an’ity taona 2010 ity. Nilaza avy hatrany moa ny tale jeneralin’ny Bianco fa ny tsy fahampian’ny vola hoentina miady amin’ny kolikoly no mety nahatonga antsika tafiditra ao anatin’ireo firenena tena ahitana kolikoly be indrindra ary nampihemotra ny filaharantsika. Voalaza hatrany moa fa 2,6/10 ny IPC (indice de perception de la corruption) azontsika, izany hoe anisan’ireo naoty ratsy indrindra. Azo ambara avy amin’izany fa manomboka hita ny fiantraikan’ny krizy, satria rehefa sahirana tokoa ny oloa dia alaim-panahy hanao kolikoly ka rehefa mitombo ny isan’ireo sahirana dia mitombo ny kolikoly.
Fa misy koa ireo tsy sahirana fa manararaotra fotsiny ny rafitra goragora misy amin’izao fotoana koa dia manao izay mety rehetra hahazoany tombontsoa. Mibaribary koa izao fa misy fiantraikany ratsy ho antsika ny fahatapahan’ny famatsiam-bola avy any ivelany, satria tsy afaka miasa ara-dalàna ny Bianco koa dia mahazo vahana ny kolikoly satria mihisatra ny fiasan’ilay sampandraharaha miady aminy. Dia mety hisy hilaza indray any ho any fa fomban-javatra io ary tsy misy faintraikany firy amin’ny fiainana isan-tokantrano saingy tsy tokony hohadinoina fa anisan’ny hitsaran’ny mpiara-miasa avy any ivelany antsika io resaka kolikoly io, tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe : «profil pays» mantsy izy io. Izany hoe raha misy firenena, na mpandraharaha na orinasa vahiny te hampiasa vola sy hanangana orinasa eto dia tsy maintsy mijery izy hoe manao ahoana ny fiarovana ny fampiasam-bola any ? Manaraka ny toetrandro ve ny lalàna malagasy ary manao ahoana ny tahan’ny fanaovana kolikoly ? Tsy hisy mihitsy mpandraharaha na mpampiasa vola matotra hiara-hiasa amina firenena hanjakan’ny kolikoly izany. Na dia ireo mpandraharaha nitalahoan’ny FAT aza mety tsy ho avy eto intsony, ary ny efa tonga eto mety hangoron’entana indray.
Raha adika amin’ny fomba malalaka ilay izy dia hampitsoaka ny mpandraharaha ny fahafantarana fa anjakan’ny kolikoly ny firenena iray. Ny loza aza dia mety hisy amin’ireo mpandraharaha teratany ihany koa no tsy hirotsaka firy amin’ny tontolon’ny fandraharahana ary hametraka ny volany any ivelany. Tsy mora anefa ny miady amin’ny kolikoly satria matetika efa lasa fomba amam-panao eo anivon’ny fiarahamonina ilay izy, ary vao miha manome vahana azy ny fandalovana krizy tahaka izao. Fehiny, ho henjana ny fanarenana ny firenena satria lalim-paka loatra ny fahasahiranana, marary ny toekarena (-2% ny fitomboan’ny harinkarena malagasy amin’ity taona 2010 ity araka ny tatitra navoakan’ny FMI). Manampy trotraka izany dia manjaka eto amintsika ny gaboraraka, samy mieritreritra azy ho manana ny marina ny tsirairay, mirongatra ny fandikan-dalàna. Izany no vokatry ny fampianaran-dratsy naseho ny vahoaka teto tamin’ny 2009, mpandika lalàna no nitarika ny olona haka fitondrana, ka tsy mahagaga raha mba mandika lalàna koa ny olona. Izay no ampy hanazavana ny zava-misy amin’izao fotoana sy mahatonga an’i Madagasikara ho ratsy endrika eo imason’izao tontolo izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.