Rano raraka!

Rano raraka, hoy ny fiteny! Mba tsy


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

hilazana hoe rà raraka no nanondraka an’Antananarivo tao ho ao, herinandro tsy hahatongavan’ny 16 novambra,

izay daty nambaran’ny HCC fa hanatontosana ny fifidianana isika izao. Raha anaty fotoanan’ny fampihelezankevitra aza izao no zava-misy dia hanao ahoana izany no hitranga afaka 7 andro, hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Tahina Razafinjoelina, izay? Miha mahery vaika hatrany ny herisetra ataon’ireo heverina ho mpitandro filaminana, raha ny hita maso hatramin’ny omaly aloha. Nisy sampana misahana izany mihitsy nitondra fanazavana fa “force de l’ordre”, izany hoe raha ara-bakiteny dia herin’ny filaminana no fiantsoana azy ireo fa tsy zavatra hafa akory. Miha mahery vaika koa nefa etsy ankilan’izay ny fihetsik’ireo olompirenena niharitra nanao hetsika am-pilaminana efa ho iray volana mahery izao manoloana ny heverina fa fitanilana hasehon’ny fitondrana mahefa manoloana ny toe-draharaha ankehitriny. Tsy misy tsy miafina intsony izany ao anatin’izao andron’ny tekinolojia izao. Hita nazava be ny fisamborana depiote toy ireny fisamborana kisoa ireny, sanatrian’izany. Ny namoahana an-tsokosoko ireo be sandry na “gros bras” teny Fiadanana teny. Mahatsiaro ho tandindonin-doza hatramin’ireo mijanona any an-tokantranony izay mampiana-janaka sy manana fianakaviana manohy ny asa aman-draharahany an-davan’andro na dia tsy manaraka ity hetsika fitakiana fahamarinana tarihin’ireo kandida miisa 10 ity aza. Tsy mahagaga raha miakatra ny maripana politika. Toy izany koa ny tolona miha miofo ho revolisionina, hoy ny filazan’ireo tanora mafana fo amin’izany hita teny an-kianja teny. Toa tsy mahagaga, mihoatra izany rehetra izany anefa, raha miha sesilany koa ny antso ho amin’ny fandraisan’andraikitry ny tafika satria dia heverin’ny maro fa efa miha mivoana amin’ny antsoina hoe tany tan-dalàna tanteraka ilay firenena malagasy nefa inoana angamba fa tsy hisy hahazo tombontsoa raha sanatria hiofo ho rotaka izany atsy ho atsy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT