Hifarana ihany ity ny volana janoary, tsy mbola hita ny marimaritra iraisana hananganana ilay tetezamita iaraha-mitantana, izay tena saro-piterahana tokoa. Izay anefa no antoka tokana hivahan’ny krizy. Tany amin’ny faramparan’ny volana desambra 2010 tany dia samy nilokaloka ireo mpanao politika izay nifampidinika tetsy sy teroa fa iray volana eo sisa dia milamina ny zava-drehetra satria efa tena dingana goavana no vita tamin’ireo fifampidinihana ireo. Samy efa nampahafantarina ny mety ho endriky ny fifanarahana nipoitra avy tamin’izany ny filohan’ny ankolafy, saingy tsy mbola nisy izay rango-pohy vita hatramin’izao.
Efa tena nahavelom-bolo ny maro ny fifanatonan’ny TIM sy ny TGV teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola, nanombohan’ny fihaonan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tamin’ny febroary 2009, saingy toa very an-javony izany fanantenana izany satria mikatso eo amin’ny resaka fanendrena ny praiministry ny marimaritra iraisana sy ny fahafahan’ny filoha teo aloha mody eto an-tanindrazana ary ny fanafoanana ny raharaham-pitsarana momba azy ny resaka. Tsy misy olana, araha araka ny fahafantarana azy ny ankoatr’izay fa dia efa mitovy ny tadin-dokanga amin’ny fizarana ny toerana any anatin’ny rafitra tetezamita. Ny fifampiresahana eo amin’ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina io, fa mbola hafa koa ny momba ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy Albert izay samy manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena sy ny lalana hivoahana amin’ny krizy ihany koa.
Ny antoko sy ankolafy hafa amin’izany, miforona etsy sy eroa ary misy mivavaka amin’ny SADC mihitsy mba hahazo anjara toerana ao anatin’ilay sambo be iaraha-mitondra. Ingahy Voninahitsy aza dia nilaza fa tsy maninona, hono, raha mody an-tanindrazana i Marc Ravalomanana ary omena famotsoran-keloka na dia nilaza aza izy taloha hoe efa nanomana efitra kely ho an’ity filoha teo aloha ity ao Tsiafahy. Ny sasany amin’izany tsy manaiky ny hosoloina izany ary manetsika any ambadimbadika any ny miaramila mba hanohana azy, eo ihany koa ny efa mieritreritra fa aleo milatsaka hofidiana ihany fa tsy mionona amin’ny fitantanana ny tetezamita, araka ny efa nambara izany, satria fotoan’ny fivadibadihan-dela izao, ka ny mifanohitra amin’ny nambara omaly no atao anio, dia tahaka izany hatrany. Dia iaraha-mahita eo indray izay mety ho fivahan’ny krizy sy fahavitan’ireo rango-pohy ela fidona amin’io volana manaraka hanomboka rahampitso io, izay volana faran’ny fohy indrindra ao anatin’ny taona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.