Randrianantenaina José

> Misokatra ny lalana ho an’ny fandresena


  • Alakamisy 28 Novambra 2013

Maneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny kandidà solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’Antsirabe faharoa. Mitondra ny laharana faha-6 amin’ny biletà tokana, Atoa Randrianantenaina José Antonio, natolotry ny ankolafy Ravalomanana manoloana ireo kandidà maro milaza ho manohana ny Dr Robinson Jean Louis. Dinidinika.

Tia Tanindrazana (T.T) : Marobe ireo kandidà toa anao milaza fa hanohana ny kandidà izay notohananareo tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ?
Randrianantenaina José (R.J) :
Marina tokoa fa roa sisa ny kandidà filoham-pirenena hifaninana amin’ny fihodinana faharoa izao. Mazava ho azy fa samy mitady izay handreseny ireo, ary hitady ny maro an’isa ihany koa amin’ny solombavambahoaka. Raha ho anay aty amin’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy ho toy ny ranon’Ikopa izahay fa ho toy ny ranon’Andraikiba ka tonga namana vao mangamanga. Izahay no nanaiky voalohany ny fanohanana io kandidà io ny fihodinana voalohany raha toa ka maro no nisalasala sy natahotra tamin’izany, no sady tsy natoky noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena sy ny teritery samihafa. Amin’izao fotoana dia misokatra ny lalana ho an’ny fandresena ka betsaka indray ireo milaza fa hanohana, ka tsy izahay mihitsy no hisakana ny fampandaniana ny kandidà Dr Robinson.

T.T :Tsy hampisafotofoto ny sain’ny olona ve izany, indridra amin’ny fifidianana solombavambahoaka ?
R.J :
Fifaninanana masina io ka ny vahoaka no aoka hitsara satria samy hihaona sy hitafa amin’ny vahoaka avokoa ny kandidà tsirairay. Ny tsara hotadidiana fotsiny dia izahay tao anatin’ny ankolafy Ravalomanana izay miaraka amin’ny filoha Ravalomanana, tsy nivadi-belirano hatramin’ny taona 2009, ary sahy nanohitra hatrany ny fitondran’ny mpanongam-panjakana dia mbola hijoro sy hiaro hatrany ny fahamarinana izay nijoroan’ny filoha Ravalomanana amin’ny asa izay hiandraiketanay.

 

T.T : Samy mivoy ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka vokatry ny krizy avokoa ianareo kandidà, tsy filalaovana ny vahoaka ve izany amin’izao andron’ny fifidianana izao ?
RJ :
Ny marina dia efa hatramin’ny taona 2007 no nanomboka nisokatra ny masoandrom-panantenan’ny Malagasy maro noho ny asa fampandrosoana nimasoan’ny filoha Ravalomanana tamin’ny fampiharana ny MAP saingy nitranga ny zava-niseho ny taona 2009 ireny ka niteraka izao krizy izao ka nahasahirana ny Malagasy manontolo. Izahay hatramin’ny taona 2009 io ka hatramin’izao dia nitolona hatrany ho fanoherana izany fampahoriana ny vahoaka izany, izay nisy fiantraikany taminay toy ny fisamborana, fandrobana sy fakana ny fanananay toy ny fiara, izay mbola tsy hita hatramin’izao. Izahay dia tsy niala mihitsy tamin’ny sori-dalana napetraky ny filoha Ravalomanana dia ny famerenana ny ara-dalàna sy ny famerenana azy eto Madagasikara hamerina ny fampandrosoana miaraka amin’ny kandidà Dr Robinson Jean Louis, satria izay no hanohanana ity farany.

TT :Ahoana izany ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka  ?
RJ:
Tsy misy mpifahavalo eto eo amin’ny samy kandidà fa ampanetren-tena no hilazana amin’ny vahoaka izany fa fantaro amin’ny voany ny hazo. Tsotra be izany : iza marina no niaraka tamin’ny filoha Ravalomanana ? Iza no niaritra ny mangidy sy ny fisamborana teto Antsirabe ? Iza no niaritra ny lakrimôzena teto sy tany Antananarivo ho fanoherana izao fambotriana vahoaka izao ? Anjaranareo vahoaka no mitsara izany satria ianareo izao no homena fahefana ka mahaiza mampiasa izay fahefana omena anareo izay.

Caïus Raharison

Atoa Randrianantenaina José Antonio

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT