Anisan’ireo hofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany faha-5 ny kandida Randriamasinoro Guy, izay atolotry ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara. Manana ny fahitany ny tontolon’ny politika teto Madagasikara ity kandida ity izay entiny hisarihana ny sain’ny vahoaka mba hahay hisafidy amin’ny 20 desambra ho avy izao.
Tia Tanindrazana(TT) : Ny hevitrao momba ny tontolon’ny politika eto amin’izao ?
Randriamasinoro Guy (RG): Raha ny fahitako azy dia manankarena mpanao politika isika eto Madagasikara fa mahantra mpitondra fanjakana na koa manampahefana mendrika.
TT : Inona no mahatonga anao hilaza izany ?
RG : Tsy ny rafitra sy ny tontolo politika na koa ny fanaovana politika no ratsy. Fantatsika rahateo fa fomba fitantanana ny vahoaka izany atao hoe politika izany. Ny tena olana fototra amiko dia ny toe-panahy sy toe-pon’ny olona izay nomena na koa nahazo fahefana no tsy mahazaka ilay toerana misy azy.
TT : Dia ahoana no heverina hanarenana izany toe-javatra izany ?
RG : Ny fanovana marina dia tokony hanomboka amin’ny tena hatrany. Hazavaiko : ny olona niova tao anatiny no afaka hitondra fanovana satria azo antoka fa tsy hahavita hampiova azy ho ratsy izay fahazoany fahefana na koa voninahitra.
TT : Miresaka fiovana ianao teo, fiovana tahaka ny ahoana moa ity resahanao ity ?
RG : Tenin’ny soratra masina anisan’ireo tena filaza etsy sy eroa ny hoe “Ny fahamarinana manandratra ny firenena”. Tsy ho tanteraka velively anefa izany raha tsy ny mpitondra ilay natao hotahafina mihitsy no tena manao ny marina. Ny ohatra mantsy dia avy any ambony hatrany. Zavatra iray mahazendana ihany koa izao raha eo amin’ny tontolon’ny ara-pinoana dia takiana hatrany amin’ireo hofidiana ho diakona ny maha olona tsy ahitan-tsiny eo amin’ny tany ama-monina azy ireo. Takiana ihany koa ny mba ho tsara laza, manambady tokana sy ny sisa izy ireo. Nahoana moa raha mba ireo olona hofidiana hitantana ity firenena ity ndray no hitakiana ireo fenitra maro ireo ? Matoa mantsy napetraka ireny fenitra ireny dia ao antony, ny firenena nefa dia sehatra lehibe kokoa noho ny fiangonana. Koa heverinay fa rariny raha toa ka takiana amin’ny fitantanana firenena ny fananana toetra mendrika.
TT : Karazana toe-javatra manao ahoana ary no miteraka io fiovana ambaranao io ?
RG : Fiovana anaty no tena fototra amin’izy io. Ny maha olona antsika mihitsy no mila atanjahana, ny fanahy sy ilay maha isika antsika na “personnalité”, no tiako hambara amin’izany. Nahoana moa no ambara hatrany fa manankarena olomanga na koa manampahaizana ny firenena Malagasy nefa isika ankehitriny no anisan’ireo firenena faran’izay mahantra indrindra maneran-tany ? Izany ve dia zavatra tokony hitombina ? Izany anefa no marina satria ireo izay mahazo fahefana mbola marefo ilay maha olona azy ka na dia eo aza ny fikasana tsara ao anatiny dia resin’ny toe-javatra manodidina ka miharatsy ihany.
TT : Nahoana no izao vao miseho ho fantatry ny vahoaka izany kandida Guy Randriamasinoro izany ?
RG : Tsara fipetraka tokoa ilay fanontanianao. Amiko raha milaza ianao fa hitondra fiovana tokoa, inona no mampiavaka anao amin’ireo hafa raha toa ianao ka hanao tahaka ny fanaony ihany ? Moa tsy sahala ihany va ianareo ? Izay no nahatonga ny tenanay milaza hatrany fa ny fanovana marina dia miainga amin’ny tena. Ka naleonay niandry ny fotoana ara-dalàna avy amin’ny CENI-T sy ny CES dia ny datin’ny 29 novambra anio izany hanombohanay hampahafantatra amin’ireo vahoakan’ny Boriborintany faha-5 mikasika anay.
TT : Ny hafatra tianao homena ny mpamaky ?
RG : Tsy ny mpamaky irery ihany fa ny vahoaka Malagasy mihitsy no tiako hilazana fa fotoana izao hanovanao Vahoaka ny karazana mpitondra eto amin’ny firenenao mba hampivoatra ny hoavinao sy ny taranakao. Izay foana mantsy no nandiso fanantenana tao aorian’ny fifidianana izay nisesy teto amin’ny tany sy ny fanjakana noho ny vahoaka tsy nahay namantatra izay karazana mpitondra ilainy na koa nametraka fepetra hoentina mifidy ny olona hitondra azy.
Nangonin’i Nofy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.