Edito

Ranaivoson Patrice Voatendry ho tale jeneraly vaovaon’ny ANS


  • Alatsinainy 30 Jona 2014

Voatendry ho tale jeneraly vaovaon’ny Akademim-pirenena ho an’ny fanatanjahantena etsy Ampefiloha Ranaivoson Patrice......

Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany, natrehin’ireo tompon’andraiki-panjakana maro. Fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy niderana an’Andriamanitra no nanokafana ny fotoana, notarihin’ny mpitandrina Andriantsalama Patrice. Nambaran-dRanaivoson Patrice nandritra izany izay marihina fa efa tompon’andraikitra teo anivon’ity ivontoerana iray ity fa vonona ny tenany hanandratra avo ny voninahitry ny firenena Malagasy mba tsy ho mena-mitahy amin’ireo firenena maro manerana izao tontolo izao. Tsy handraraka ilo mby an-doha ny andraikitra nomena ahy ny tenako, hoy ihany, izy nanome toky ny minisitra misahana izay nosoloan’ny sekretera jeneraly tena sy ireo olo-manan-kaja maro nanatrika ny lanonana.  Andro vitsy lasa moa izay  raha tsiahivina no nanatanterahana ny famindram-pahefana teo amin’ny tale jeneraly teo aloha sy ity tale jeneraly vaovao ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT