Ramarosonarivo Jeanson

> “Ny herisetra sy didy jadona dia tsy mahalamina tany”


  • Zoma 08 Novambra 2013

Andriamatoa Ramarosonarivo Jeanson, Mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita, Mpikambana ao amin’ny Antoko MFM, Kandidŕ Solombavambahoaka any amin’ny Distrikan’i Manandriana (Faritra Amoron’i Mania) atolotry ny Ankolafy Ravalomanana sy ny antoko MFM ary tohanan’ny antoko AVANA no vahiny anio.

Tia Tanindrazana (TT) : Teto Antananarivo no nahafantaran’ny olona anao teo amin’ny sehatry ny tolona nandritra ny efa-taona ary nandrandrain’izy ireo ny filatsahan-kofidianao teto. Fa inona no antony nanosika anao hilatsaka any Manandriana ?
Ramarosonarivo Jeanson (RJ) : Tsy misy antony manokana fa endrika ankapobeny isehoan’ny tolona ny mampisandrahaka azy manerana ny Nosy. Sehatra iray tsy azo ihodivirana amin’ny fanamasahana azy ihany koa izany, fametrahana izay hevitra hifanarahana amin’ny fitantanana ny firenena fotsiny ihany ny eto Antananarivo amin’ny maha renivohitra azy. Noho izany tsy ajanona eto ihany izay heverina fa zava-bita satria ho an’i Madagasikara manontolo no itolomana ka dia raisiko ho andraikitra amin’ny alalan’ny filatsahan-kofidiana any Manandriana ny fanitarana izany.

TT : Iza avy ny hery politika antenainao hanohana anao amin’izany ?
RJ : Ny vahoakan’i Manandriana tsivakivolo no mpanohana ahy voalohany. Ny hery politika kosa hatreto dia ny MFM izay antoko niaviako, ny Movansy Ravalomanana izay mandatsaka ahy ihany koa ary ny antoko AVANA miaraka amin’ny Dokotera Robinson Jean Louis.

TT : Araka ny fantatra dia samy mandatsaka kandida solombavambahoaka daholo ireo hery politika lazainao ireo any amin’ireo distrika samihafa any amin’ny faritra Amoron’i Mania. Inona kosa ny antony manokana nahatonga anao ho kandidà tokana any Manandriana ?
RJ : Fagnera sy fifandaminana fotsiny ihany mba hanamorana ny asa, ary ny tsy hampisavoritaka ny mpifidy.

TT : Anisan’ny lohalaharana voasokajy ho faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana sy fahantrana ny Distrikan’i Manandriana, inona no paikady hiatrehanao an’ireo ?
RJ : Antoky ny zava-drehetra toy ny fahasalamana, fihariana, fanabeazana, fampandrosoana ny fandriampahalemana. Toy ny mihary amin’ny “haron-troba-body” ny miaina ao anaty tsy fandriampahalemana satria foana ao anaty indray mipi-maso ny nisasarana rehetra. Fiteny any Manandriana ary lasa fitsipika mihitsy ny hoe : “Manandriana tsy alaim-basy, tsy alain-defona ary tsy alatsa-dra”, izany hoe miainga amin’ny fagnera sy adihevitra ny fandraisana fanapahan-kevitra sy ny fandaminana rehetra. Ny herisetra sy didy jadona dia tsy mahalamina tany na oviana na oviana, toy izany koa ny fanaovana kolikoly sy mizana tsindrian’ila amin’ny mpiarabelona satria miteraka hantsana lehibe manasaraka ny mpitondra sy ny vahoaka izany.

TT : Matoky ve ianao fa hanaraka anao amin’izany ny vahoakan’i Manandriana ?
JR : Traikefa niainan’ny mponin’i Manandriana ny “Tsy minday mody” (tifitra), “Dina tady mody” (vonoina izay tratra ambodiomby), “Dina Rebotiaka” (atao hazo fotsy izay ahiahiana). Samy tsy nisy nahomby ireo, izany no ilazako fa lalan-tokana tsy azo ialana amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ny fagnera iarahan’ny rehetra manapaka tsy misy herisetra.

TT : Ary mba ahoana kosa ny resaka ara-pihariana sy toekarena ?

JR : Efa misy any an-toerana daholo ny rafitra ahazoana manatanteraka fampandrosoana saingy ny tsy fandriampahalemana foana no anisan’ny sakana lehibe, ohatra amin’izany ny fanaovana voly avotra isan-karazany, fampindramam-bola madinika, fampiasana fokonolona amin’ny alalan’ny asa atakalo sakafo, ny fikarakarana ny fahasalaman’ny biby fiompy sy ny fampiroboroboana ny fambolena ary ny fandrindrana ny lalam-barotra amoahana ny vokatra isa-tsokajiny sy ny sisa tsy voatanisa.

TT : Fifidianana izao no malaza, ny hevitrao manodidina an’izany amin’ny maha mpanao politika anao ?
JR : Eny, mpanao politika tokoa aho ary tsy menatra ny mijoro sy miseho amin’izany. Raharaham-pirenena ny fanaovana politika ka tsy maintsy itozoana sy ifotorana mafy. Tsy misy na dia firenena iray eto ambonin’ny tany, na ny faran’izay kely indrindra na ny heverina fa ngezalahy ka tsy politika no itantanana azy. Izany no maha zava-masina ny politika, ny mpanao politika matetika no ratsy toetra fa tsy ny politika akory no mamohehatra araka ny antsoantson’ireo tsy mahatakatra azy. Mila mazava tsara amin’ny olom-pirenena rehetra izany vao tohizana ny resaka satria manimba firenena ny fanakotakonana ny marina manodidina ny politika.

Lalana iray tsy maintsy lalovan’ny tena mpanao politika ny fisedrana fifidianana isan’ambaratongany satria izany no anisan’ny endrika iray lehibe isehoan’ny Demokrasia hatraiza hatraiza. Samy manana ny fomba andraisany an’izany, ny sasany mihevitra fa izay mahavita fety be sy mahazara vola betsaka no mahay fifidianana, misy mieritreritra ihany koa fa izay mahay mamitapitaka sy tsara kabary no mahery. Tsy adala anefa ny vahoaka ka mbola hofitahana amin’izany ihany satria mino aho fa efa hain’izy ireo amin’izay ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary.

TT : Misaotra indrindra tompoko nanaiky nitafatafa sy nisokela taminay.
JR : Tsy misy fisaorana fa ianareo aza no isaorana amin’ny fiaraha-miasa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT