Edito

Raiso ny andraikitra e !


  • Zoma 03 Aogositra 2012

Miha mahazo vahana indray ny asan-dahalo any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny.

 Raikitra indray ny halatra omby, mihorohoro ny mponina. Hatramin’izao anefa tsy mbola tratra Remenabila lehiben’ny dahalo ary efa namono nahafaty zandary. Resabe ny momba ity raharaha ity. Ao ireo milaza fa misy olona ambony miara-miasa amin-dry Remenabila ary tena misy karazana fifanarahana mihitsy amin’ny isan’ny omby angalarina. Aondrana any Kaomoro izy ireo, avy ao indray no misy ampahany mankany amin’ny firenen-kafa, araka ny tsiliantsofina re ihany. Manomboka kianin’ny olona ihany koa ny fomba fiasan’ny mpitandro ny filaminana tany atsimo satria misy ny tsy mety sy ny gaboraraka. Voalaza aza fa nisy tamin’ireo mpitandro filaminana ireo no nampihorohoro ny olona tsotra izao. Ny mampanahy ny olona maro amin’ity resaka ity dia mety marina ilay hoe manana mpaniraka Remenabila ary arifomba ny fitaovana eo am-pelatanana. Karazana sinema ihany ny fisamborana azy fa ny marina dia tsy ho tratra mihitsy ity lehiben’ny dahalo ity.

Mety voasambotra ihany fa mbola afaka fotoana maromaro tahaka an’i Ben Laden. Mampiseho ny fisian’ny gaboraraka sy ny dahalo ambony latabatra ihany koa ity tranga ity, ary ahitana fa misy vondron’olona tena miasa ho amin’ny tombontsoan’ny tenany manokana sy izay mahamety azy ihany eto. Raha ny tokony ho izy dia avoaka mihitsy aloha ny anaran’ireo olona ambony miray petsapetsa amin’ny dahalo, dia atolotra ny mpitandro ny filaminana, fa tsy ny dahalo any anaty akata any ihany no henjehina. Raha mbola misy mantsy ny mpaniraka sy mpamatsy fitaovana dia misy dahalo miasa foana. Ireo sefo deba ireo mihitsy no mila samborina sy gadraina. Nifanandrify indrindra tamin’ny fiverenan’ny fahazoantsika manondrana omby any ivelany, ny firoboroboan’ny halatra omby sy ny asan-dahalo, ka azo antoka fa misy ifandraisany ireo, ary misy ny olona mahita tombontsoa amin’izany.

Mety misy mamadika ho resaka politika koa anefa izy io, mba handotoana ny mpifanandrina amin’ny tena ka izay no maha sarotra ny raharaha. Na izany aza dia tsy misy mafy tsy laitry ny zoto, ary raha mbola misy mpitondra tompon’andraikitra ihany koa eto dia tokony handray andraikitra fa tsy mitazam-potsiny ny gaboraraka sy ny fandrobana ny raharaham-pirenena eto.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT