Edito

Raiso ny andraikitra


  • Zoma 16 Septambra 2022

Maro ireo raharaha mafampana, naharavana fananana sy namoizana ain’olona teto amin’ny firenena no tsy mbola

voazava tsara.tsy mety mipoitra ny tena marina fa dia terena hanaiky ny resaky ny manampahefana fotsiny ny vahoaka. Tahaka ny hoe : tsy misy diso mihitsy fa ilay tranga no nitranga ho azy teny.Ny hoe tompon’andraikitra mahatsapa tena sy manetry tena izany moa dia tsy misy eto, fa na inona na inona mitranga dia ny hafa foana no diso.Tsy mbola kolontsaina eto mihitsy ilay hoe manaja tena mametra-pialana. Ny fokonolona no diso, ny tompon-trano no diso, ny havan’ny maty no diso, ny fiarahamonina no diso…izany foana ilay izy.Rehefa sosotra avy eo ny eny ifotony dia mitranga ny fitsaram-bahoaka dia voasambotra indray izay nandray anjara tamin’izany ka miotrika ao ihany ny fahasosorana sy ny fankahalana.Na inona na inona aloha resahana dia tsy mety ny manapa-kevitra hoe andao ajedaka sy vonoina ho faty i ranona na ranona.Saingy rehefa tsy voataiza araka nytokony ho izy anefa ny olona dia laza ny zava-misy sy ny fiarahamonina no mitaiza azy.Sarotra avy eo ny fifandaminana satria efa samy maka ho azy.Tahaka ny hoe tany tsy misy lalàna , na fanjakan’ny mandeha ho azy. Inona no tsy ifandaminana sy ifampiresahana mba isorohana ny zava-doza mety hitranga eto ? sarotra be ve ny miresaka mahitsy tsara dia miteny hoe izao sy izao no mety, izao no tsy mety . Fa raha tahaka izao foana no itondrana ny fiainana, dia mampanahy be ihany ny ho avy ho an’ireo taranaka. Ary tena ho sahirana ny mpitondra hifandimby eto ; tsy ilay rafitra irery no olana fa ny olombelona miara-miaina mihitsy. Tsy maintsy alamina sy arindra io, tsy maintsy atao izay fomba hanajan’ny rehetra ny fitsipika sy ny lalàna fa tsy afaka ny hifampitazatazana eto fotsiny. Mila fandraisan’andraikitra ny fampandrosoana ny fiainan’ny tena manokana sy ny firenena.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT