Edito

RAIM-PIANAKAVIANA MISANDOKA HO MANAMBONINAHITRA Maka vola aman’olona fa mahatafiditra « élčve » zandary…


  • Talata 22 Jolay 2014

Ela nitoratorahana ity raim-pianakaviana manodidina ny 50 taona ity amin’ny asa fisolokiana fanaony ka saron’ny fokonolona tao Ambalakasisoa. Natolotra ny filoham-pokontany izy. Nantsoina ny mpitandro ny filaminana avy eo nisambotra sy hanao fanadihadiana azy

Raha ny angom-baovao voaray dia maka vola amin’ireo ray aman-drenin’ireo tanora te hiditra ho “Eleve” Zandary no tena asa fisolokiana ataony. Milaza ho manamboninahitra eo anivon’ny vondrom-pileovan’ny zandary Toamasina sy mpiara-miasa amin’ny lehiben’ny zandary ao Toamasina ny tenany. Nisy ny tafaroboka ka efa nahazoany vola an-tapitrisany ariary, tao kosa ireo mailo ka izao nahatrarana azy izao. Mandalo fanadihadiana eo anivon’ny polisy ao Toamasina ity raim-pianakaviana misandoka ho manamboninahitra zandary ao Toamasina ity nanomboka ny sabotsy nahatrarana azy teo ka ho hita eo ny tohiny ny raharaha satria anisan'ny mpitory azy amin’izao fisandohana ataony izao ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina, izay voasoketa amin’ny fakana vola nataony.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT