Efa manomboka hita taratra amin’ny fihetsika sy ny fitenin’ireo mpanao politika eto amintsika ny fiomanana sahady amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka
. Efa mazava ihany mantsy raha ny fifidianam-paritra fa tsy maintsy hahazo maro an’isa ao indray ny Hvm. Noho izany, mety tsy handany ron-doha handrafitra paikady be momba an’io intsony ireo etamazaoro politika hafa fa efa mifantoka ny amin’ny 2018. Araka ny kajy tsotsotra natao dia tanterahana afaka 2 taona sy 7 volana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eto Madagasikara, fototra niaingan’io kajy io ny 25 janoary 2014 nandraisan’ny filoha am-perinasa ny asany. 5 taona no fotoam-piasany izany hoe mifarana ny 25 janoary 2019, ka raha ampitoviana amin’ny tetiandrom-pifidianana farany izany dia mety ho ny volana septambra 2018 no hatao ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, vanim-potoana ivelan’ny fahavaratra io. Ankoatra an’i Hery Rajaonarimampianina, dia tombanan’ny maro fa hiatrika io hazakazaka hiditra ny lapan’Iavoloha io Atoa isany Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, Edgar Razafindravahy, ny praiminisitra am-perinasa Jean Ravelonarivo. Re siosion-dresaka ihany koa ny mety haha kandida ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha Orlando Raobimanana. Ankoatra ity farany izay miasa any ivelany dia efa hita taratra mihetsiketsika sy mitety faritra ihany ny ambiny, ao ny mety mitsapa ny halalin’ny rano ary misy ny efa miezaka mampahafantatra ny tenany sy mivoy hevi-baovao handresen-dahatra ny olona mihitsy. Raha izay no heverina dia efa raikitra izany ny hazakazaka fa asa fotsiny hoe hanao ahoana ny fitsipi-dalao rehefa avy eo ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.