Edito

Raikitra indray ! Raikitra indray ity ny propagandy ! Asa indray aloha izay ho


  • Talata 05 Novambra 2019

fitrangany ato anatin’izao 20 andro handresen’ireo kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna lahatra ireo tiany

 hifidy azy ireo izao na hanao ahoana. Mbola hirarakopana ve ny fizarana savony sy hena ary vola sy vary sa mba tena ho foto-kevitra sy praograma tokoa amin’izany no ho heno hovoizina eran’ny tanàna ? Fifidianana nolalalalaina ho akaiky vahoaka rahateo ity kaominaly ity ka dia ho hita eo tokoa izany izay kandida sahy hijoro amin’izay maha akaiky vahoaka tsy mila tambiny azy izay. Ho hita eo tokoa izany tena hoe hevitra izany no haely fa tsy vola sy hatsarana ivelany. Somary efa nahavakavaka rahateo ny fihetsiky ny mpanao politika sasany izay mba tsy hahatezitra azy ireny dia andeha atao fotsiny hoe nanao fihetsika toy ny namadika ny palitaony. Azo antoka tsinona fa tsy maintsy hanan-kolazaina foana izy ireny hanamarinany ny fihetsika politikany izay toy ny mivoana amin’ilay andrandraina hanana ny toerany eto hoe deontolojia sy etika. Tena noho ny faharesen-dahatra ny amin’ny tokony hanavotana ilay tanàna tokoa ve no anton’ilay fanapahan-kevitra hanohana olona nolazaina fahiny fa tsy mitovy fomba fijery amin’ny tena sa resaka hafa ? Nalaza tamin’ny fitondrana teo aloha moa ny resaka malety ary nahavelom-bolo ny mpanara-baovao tokoa ny naheno sy mbola maheno hatramin’izao fa hiady amin’ny kolikoly ny fitondrana ankehitriny. Asa tokoa anefa na kolikoly no azo ilazana izay mitranga any ambadibadika any na varotra fa ny fantatra aloha dia voarara ny mivarotra sy mividy safidy. Fandrarana izay tsy fantatra mazava ny sazy mifanandrify aminy ankoatra ny hoe fahapotehan’ny firenena sy tanàna ary nenina “fotsiny” raha sanatria diso izay safidy izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT