Edito

Rahoviana vao ho tomponandraikitra ?


  • Sabotsy 19 Novambra 2016

Raha mbola ho fifanilihana foana no iainana eto dia aza manantena ny ahita vokatra amin’izay atao. Toy ny lalao ara-panatanjahantena io


. Raha ny mpilalao baolina kitra no lany andro amin’ny pasipasy baolina isak’izay mihetsika dia ho azon’ny mpifanandrina tsy ho ela izany ary dia ho tateriny any anaty harato satria fantany fa mbola hifanao pasipasy toy ilay teo indray isika mianakavy. Matoa nisy ny fitsaram-bahoaka nisesisesy dia nisy kapoaka efa tsy zakan’ny tsikalam-piheritreretan’ny mpiara-monina manerana ny nosy tao. Ny vahaolana hahafahana mampitsahattra izany izao no tokony ho karohina fatratra sy tokony handinihan’ny tsirairay avy ny tenany, manomboka any amin’ny mpitondra ka hatrany amin’ny hoentina. Tsy fotoana intsony izao, mbola hampiasana ny voambolana hoe “sasany” satria na aiza na aiza eto ambonin’ny tany dia ny mpitondra no heverin’ny vahoaka fa Raiamandreny hatrany. Tokony ho fitaratra izy no dikan’izany. Matoa ny zaza sy ny ankizy mitrifana dia satria tsy ampy fananarana, fa indrindra, tsy norarahaina sy tsy nanaovana na dia pi-maso fotsiny aza. Miandry ny topimaso avy amin’ny Raiamandreny ny zanaka e!

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT