Rahoviana vao hanaiky diso ?

Marina fa tsy mahafaty ny kiana sy ny tsikera,


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

kanefa tokony hosainina sy hoeritreretina ihany.

Tsy midika tsy fitiavana na fanoherana be fahatany, fa natao kosa hanatsaran-javatra, ka manan-kery io amin’ny zava-drehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny raharaham-pirenena raha tena mbola mitoetra sy mihatra tokoa ilay hoe : «demokrasia», izay indraindray toa alevina sy hitsahina mihitsy rehefa tena manohintohina ny seza fiandrianana ny fisiany. Firifiry moa ny zavatra nitondrana tsikera teto amin’ny firenena fa moa mba tena nanaiky diso sy nanaiky hahitsy ve ny mpitondra indrindra fa ireto volomboasary ireto ? Inona ny tsikera tsy natao tany aloha sy nentina nandravana firenena tamin’ny fanonganam-panjakana sy famotehana ny firenena no tsy miverina sy tsy nitombo avo 10 heny na 100 heny ankehitriny ? Ny laharam-pahamehana nitantana ny firenena tsy nampandroso fa vao mainka nampahantra, tsy tena fantatra mazava hoe : iza ilay firenena tantanina ka toa ny aingam-panahy sy ny kisendrasendra no hitondrana azy fa tsy ny filàn’ny vahoaka sy ny firenena ? Ny Malagasy toa terena hisotro ny rano tsy tiana hanaiky ny efa tsy sitrany, ny fitantanana miha mivaralila satria toa tsy ny hampandroso no tanjona fa ny handrombaka fahefana,… Mbola haverina foana fa na eo aza ny lesoka samihafa, dia tsy misy angamba mpitondra sy mpanao politika handeha hanao fanahy iniana hoe : alentiko any anaty lavaka tanteraka ity firenena ity, kanefa matoa izao no mitranga dia izao no takatry ny fahaiza-manao. Betsaka izay notanisaina hatao izay, fa ny zavatra mitranga aloha dia sahirana amin’ny fanatanterahana, milentika ny firenena. Jereo amin’io adihevitra momba ny fampianarana io, fa mahery vaika ny tsikera, ny fanairana, ny fampieritreretana eo anatrehan’ny laharampahamehana hoe : mahavita mitrosa teleferika efa ho an’arivony miliara fa tsy mahavita sy tsy mahavidy ny filàna dabilio ho an’ny ampy ho an’ny zanaka Malagasy ? Ampahany ihany io fa betsaka ny zavatra azo handrefesana ny tsy fahaiza-mitantana. Tsy fanaovana serasera mipoapoaka amin’ny zava-bita iray na ny fiezahana hanao zavatra miterinterina sy manara-penitra no antsoina hoe : fandrosoana sy fampandrosoana fa ny fivoaran’ny isam-batan’olona sy ny ankohononana tsirairay eo amin’ny lafiny fari-piainana, toekarena, sosialy,… ka izany no mipaka amin’ny firenena avy eo !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT