Edito

Rahoviana ny fiadanana ?


  • Alarobia 27 Septambra 2017

“Hiadana sy ho finaritra, he sambatra tokoa izahay”, hoy ny voarakitra ao anatin’ny hiram-pirenena Malagasy.

Rahoviana re no ho tonga tokoa ny fiadanana raha toa ka efa ho 58 atsy ho atsy ankehitriny no nihirahirana sy naniriana azy e ? Raha tsy hilaza afa-tsy ny zava-nisy tamin’ity fitondrana ity fotsiny, voalohany hatramin’ny farany dia natetika niverina ny fihetsiketsehana sy fitokonana maro samihafa. Tsy misy izay tsy miaiky na vahiny na teratany fa manjaka ny kolikoly ary ireo osa sy marefo ara-piarahamonina hatrany no tena lasibatra sy voa mafy. Vao niandoha nandray ny toerany ny fitondrana Rajaonarimampianina dia efa ra  mandrika no nisantarany izany tetsy Mahamasina.  Nanao tohivakana ny fitsaram-bahoaka. Natetitetika koa ny fanafihana fiara amina lalam-pirenena izay saika nisehoana tifitra variraraka nahatonga faty olona ombam-paty nikararana. Baomba tatsy, baomba taroa. Ny filoham-pirenena isan’andro asain’ireo hery “velona” miala amin’ny toerana fa tsy mety hatramin’izao ary azo antoka fa tsy hanaiky raha tsy hamita ny taom-piasany. Hitokona lavareny amin’izay, hono, manomboka eto ny sendikan’ny mpitsara sy ireo mpiara-dia aminy ka dia hatramin’ny farany izany ilay Malagasy dia anivom-panoto sy laona saingy ireo hery milaza ho mifanohitra anefa, indrindra, mbola manalasala hoe tena miady sa mody miady ? Rahoviana ny fiadanana ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT