Edito

Rahoviana no hanangana ?


  • Sabotsy 15 Jolay 2017

Fanonganam-panjakana efatra heverina ho nisy akony ara-pitotonganan-toekarena goavana indrindra ka nahatonga ny firenena ho mbola anaty fahantrana lalina toy izao hatrany ireo nitranga ny taona 1972,1991, 2002 ary 2009.

 Hafatra heno matetika ny hoe mila mahay maka lesona amin’ireo zava-drehetra efa nitranga isika. Ny zava-misy anefa dia rehefa mety amin’ny mpanao politika mahazo avara-patana any amin’ny an-daniny ilay hoe niteraka krizy hatrany ny fanonganam-panjakana nisy teto dia izay foana no voizina. Ny vahaolana maika ahafahana misoroka an’izany anefa dia manjavozavo fa tsy hita izay tena vontoatiny. Ho an’ny an-kilany kosa dia ny viventesana ny zo fototra ny fanonganam-panjakana no maha diavolana ny sain’izy ireo ary angamba heveriny ihany koa fa hahazoany seza haingana ka dia izay foana no hiraisaina efa ho isan’andro. Tsy afa-miala ao anatin’ny tokotaniben’ny resaka fanonganana ireo ary misarika ny sain’ny rehetra hihevitra fanonganam-panjakana hatrany. Rahoviana kosa isika no mba hihevitra izay hananganana ity firenena ity ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT