Edito

Rahoviana ihany ?


  • Alatsinainy 06 Martsa 2017

Efa ela no niketrehana sy nikotrehana ny fampihavanam-pirenena teto amintsika, saingy tsy mbola tanteraka hatramin’izao. Dia samy velom-panontaniana ny rehetra hoe rahoviana ihany ? Fampihavanana politika no ilaina eto, raha halalinina ny zava-misy.

Ny finiavana hihavana sy hifanaraka mihitsy no tsy misy satria mbola baikoan’ny fitiavan-tena ny ankamaroan’ny mpanao politika eto Madagasikara. Tena diso hevitra sy diso fandray mihitsy aza hoe inona tokoa moa no fonosin’ny fampiavanam-pirenena ? Maro amin’ny mpanao politika no mihevitra fa ny fampihavanana tokony hapetraka eto dia tsy misy afa tsy ny fizaran-tseza. Tsy hatao mahagaga raha tsy misy zava-banona eto amin’ny firenena satria tsy mikendry afa tsy izay tombontsoany ny mpanao politika, ny hahazoana fahefana ihany no masaka an-dohany. Raha tena hihavana dia mila mahay mifandefitra sy manaiky ny fahadisoana rehetra natao, fa tsy hiziriziry amin’ny tsy maintsy hahazoana tombontsoa vao hanaiky hihavana sy hifandamina amin’ny hafa. Raha mbola fizaran-tseza sy fitadiavana tombontsoa manokana no hitondrana ny fampihavanana eto dia tsy hisy ary tsy hirindra mandrakizay ny firenentsika. Samy hitady ny tombotsoany mantsy. Hilamina ihany ve i Madagasikara ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT