Edito

Rahoviana ihany ?


  • Alatsinainy 13 Febroary 2017

Tsy misy tokotaniny ny famahana ny olana ara-tsosialin’ny Malagasy.

Vao mainka miha midangana ny vidim-piainana. Tsy misy ny tena vahaolana maty paika fa ny vahoaka aza no vao mainka hampizakaina ny tsy eran’ny aina. Maro ny olana mianjady amin’ny Malagasy fa rahoviana ihany vao mba hivaha ?  Sesilany ny fampanatenana natao tamin’ny valalabemandry saingy mijanona ho fampandriana adrisa ny ankamaroany. Toa variana amin’ny kajikajy politika isan-kazany ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena fa adino izay famahana ny olana ara-tsosialin’ny vahoaka. Samy milaza fa manana vahaolana manoloana ny fahantrana mandifitr’olona ankehitriny ny mpanao politika saingy tsy misy sahy mijoro hitondra izay tena vahaolana fa lany andro amin’ny kobaka am-bava etsy eroa. Raha ny fampanantenana sy ny ronono an-tavy natao tamin’ny vahoaka dia efa tsy tokony ho toy izao ny fiainan’ny Malagasy. Anjaran’ny rehetra sisa no mamakafaka sy mandalina lalina satria tsy misy azo atokisana intsony ny akamaroan’ireo milaza azy ho tia tanindrazana eto amintsika. Ny tsirairay no afaka mandalina izay namotika sy nikendry ary niezaka nanandratra hatrany ny hasin’ny firenena ka tsy nanaiky natao taingim-bozona teto Madagasikara, fa niezaka hatrany nijoro ho an’ny tanindrazana. Anjaran’ny maro an’isa no misaina lalina ka tsy ho sodokan’ny ronono an-tavy indray atsy ho atsy fa hahay hisafidy amin’ny saina tsy miangangatra, ka tsy hipetraka intsony ny fanontaniana hoe rahoviana ihany vao handroso ity firenena mamintsika ity ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT