Edito

Raharaha ikambanana


  • Zoma 02 Novambra 2018

5 andro monja sisa dia hisy tantara vaovao hipetraka eto amin’ny firenena indray.

 

Ny hirariana dia ho tena izay tokoa no hitranga fa mba tsy ho tonga amin’ilay fiteny hoe ny tonta no nivadibadika. Niaraha-nahalala sy naheno ary nohirahirain’ireo afaka naneho hevitra tamin’ny haino aman-jery hatrany hatramin’izay fa tsy nahay naka lesona tamin’ny tantara isika. Fehezanteny faheno koa ny hoe niverimberina ny tantara. Ny ilaina tsiahivina hatrany ao ambadik’izany fanehoan-kevitra rehetra izany kosa anefa dia hoe niha ratsy sy nanahirana hatrany ary niha nampihombo krizy sy fahantrana ny zava-nitranga nifandovana tao anatin’izay tantaram-pirenena izay. Rehefa dinihina dia tsy niverina sy niverimberina fotsiny ny tantara fa tena nihavao tokoa saingy tonga amin’ilay famaritana hoe nivoatra gaigy hatrany. Mampivarahontsana ny tranga niseho tao anatin’ny herinandro monja. Toy ny nofy ny lokaloka nifanaovana tetsy analakely vao 5 volana lasa izay. Nandritry ny 1 volana no nivoadiana toy ireny mpivady ireny fa hifaninana ao anaty fifanajana kanjo tsy nahamenatra ireo solombavambahoaka nahazo toerana akory avy eo ny nandao ireo vahoaka nosarihany hoe aty izay mila fanovana tamin’ny fotoan’androny. Inona nefa no niova teo? Mitohy ny fanaovana kobaka am-bava amin’ny alalan’ny fampanantenana poakaty sy fampirantiana vina tsy afa-maniry eto amin’ny firenena na ho tondrahana zezika faran’izay tsara indrindra an-taoniny aza. Mitohy ny fandrangitana adim-poko, ny fandrisihana an-kolaka ny vahoaka hifampihantsy satria tsy mitovy firehana politika. Izay tokoa ilay hoe samy tompon’andraikitra tamin’izao tsy fahombiazana izao ny rehetra fa voalohany ny mpitondra sy ny mpanao politika nifandimby. Miha misolo fizarazarana ny firaisankina ary ny fihavanana miha misolo fifandrafiana. Anjaran’ny rehetra noho izany no miara-mitady ny fanafody satria tonga amin’ilay kabarin-dRatsimandrava hoe raharaha ikambanana ity raharaha ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT