Raha tsy hifoha amin’izao efa….

Ny fahamarinana no manandratra


  • Talata 14 Janoary 2025

Firenena, tsy misy firenena vanona ao anatin’ny fahalovana,

tsy fanarahan-dalàna, kolikoly, herisetra, amboletra,… Ny inona amin’ireo faharatsiana sy endrika fahapotehana no tsy hita eto amintsika ? Ny tena zava-doza, ny mpamotika mamotika ihany kanefa ny tena fahadisoana lehibe indrindra ny fitazanam-potsiny ny famotehana mandeha. Manana adidy noho izany ny rehetra amin’ny raharaham-pirenena, ary ny zava-misy tahaka izao no tena ilàna fifohazan-tsaina iombonana goavana, raha tsy izany dia hiombo sy hitombo ny fahapotehana. Ezahana haharihary sy halentika any am-parahatoky ny Malagasy fa ny vola sy ny basy no mibaiko eto, ka tsy hisy haharesy ny mpitondra manao ny tsy mety. Ny efa manao ny tsy mety indray aza no mbola sahy milaza sy mihantsy fa tsy haharesy basy izany fa ny miaramila manam-basy nikomy aza voafehiny. Asa mbola tany demokratika ve i Madagasikara sa efa naka lesona tany Korea Avaratra ? Na izany na tsy izany, tsapa sy tsikarotra ihany hoe : tsy hery fa tahotra ny fierongeronana mandeha. Toa may volontratra mantsy ny etamazaoro politikan’ny mpitondra, ka manao ranolava ny fanambarana sy fampitenenana an’izao rehetra. Mandeha ny finiavana hikipy ka ilazana an-tserasera samihafa fa efa tena miasa mafy sy mamaha olana hono ny fitondram-panjakana. Efa mandeha hono ny asa fampandrosoana. Mila fitoniana hono ny firenena ary tsy ilaina ny fanakontanana. Fa iza no mikorontana sy manakorontana ? Moa tsy ny olana anatiny sy krizim-pitantanana vokatry ny tsapatsapa vody akoho sy fahoany fahoany no mampidofotra lava ny fitondrana ka mampitombo ny olana eto. Mbola sahy milaza sy mirehareha fa tena mamim-bahoaka sa miaro fahefana sy seza amin’ny fampiasana sy filalaovana an’ireo rafitra maro samihafa ? Dia ireny iaraha-maheno hatrany ireny ihany koa ny fanambatambazana sy fianteherana mafy amin’ny manam-basy. Asa hahomby mandra-pahoviana io fa efa betsaka ihany anie izay nilaza azy ho mafy izay fa inona no niafarany ? Tsy maniry ratsy ho an’ny Firenena na miantso rotaka, fa mampisaintsaintsaina ny valalabemandry kosa hoe : raha tsy mifoha amin’izao mety efa tsy hifoha intsony ? Ary raha totondry tsy mivokona amin’izao maty hozatra !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT