Edito

Raha teo mantsy Dadanay !


  • Alatsinainy 22 Martsa 2010

« Tsy misy atahorana sazy, avelao izahay hiara-hihafy amin’ny Malagasy eto », hoy ny mpitondra ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

Etsy an-daniny dia mandrangaranga ny hamaly bontana sy hisambotra sy hampisambotra izay tsy mitovy hevitra aminy izy ireo. Etsy an-kilany dia maneno sahona avokoa ny sehatra rehetra, mitaraina ny mpandraharaha, mahatsiaro ho ankilabao ny tantsaha mpamokatra any ambanivolo any, manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny jiolahy ary vao mainka mahazo aina mahita ny mpitondra mihantsy ny fianakaviambe iraisampirenena ho tsy matahotra sazy. Very fanahy mbola velona ny tanora, hitozo amin’ny fianarana tsy misy asa antenaina na dia hiravaka diplaoma be aza, hiasa tena tsy marisika satria betsaka ny ramoramanana, tsy manao afa-tsy ny hambabo ny an’ny sasany. Hany ka betsaka ankehitriny ireo latsa-panenenana ho nanara-drenirano tamin-javatra tsy nety nahapotika ny firenena. Maro koa ankehitriny no mahatsiaro fa raha teo i «Dada» tsy nisy voaroaka tamin’ny asany ny mpiasa fa ny asa ary niampy, noho izany nihamaro ny mpiasa. Tsy lany vola namidy kodiarana satria tsy niharatsy tahaka izao ny lalana. Tsy nitaintaina mafy tamin’ny fandriampahalemana fa dia nanohy ny asa aman-draharaha andavanandro ary tsy mba nisy voasazy izany fa mari-pakasitrahana no betsaka. Raha teo mantsy Dadanay !

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT