Edito

Raha sanatria …


  • Alarobia 24 Janoary 2018

Raha sanatria ka marina sy mitombina izay nolazaina sy navoakan’ilay vahiny tafavoaka sy tafatsoaka ny fonja lasa any Frantsa iny dia inona intsony no azo raisina amin’ity gasikara ity ?


 Fanontaniana goavana mipetraka any an-dohan’ireo mpanara-baovao sy tia tanindrazana io manoloana ny fisian’ireo tompon’andraikitra malagasy maromaro ambony lotoin’ity vahiny ity isan’andro. Raha izao fandehany izao dia mbola ho lavalava ihany ny lisitra. Raha ny fahitana ny fihetsiny dia tsy manan-kevitra ny hamihim-bava izy. Nisotro ny aleoko maty  ? Sao dia mba iny famakiam-ponja avo lenta tontosany iny aza no tena ho antoky ny fahavelomany any an-tanin-drenimalala any ? Sao dia mba iny no nahafahany nitsirika sy nanadihady izay tena fahalementsika sy ireo mpitondra antsika. Ny fahitany fa mitady hizotra ho any amin’ny fahombiazana ny paikadiny sy izay naniraka azy ve no mbola hanohizany hatrany izao tabataba mitety haino aman-jery izao ? Na iza na iza anefa aloha no fositry ny hadalana rehetra sy niara-nanatanteraka taminy izany teto dia ny  firenena manontolo sy ny vahoaka Malagasy hatrany no mibaby ny fahafaham-baraka sy hampihemotra ny fitokisan’ireo firenen-dehibe ny mpitondra antsika ary hampikatso ny famantsiana tokony ho azo. Sanatria mbola hitoetra maharitra indray ve ianao rafahantrana ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT