Edito

Raha madio tokoa !


  • Talata 26 Martsa 2019

Azon’ilay antoko iray mila mandresy amin’ny lalao miverina ambongadiny io fifidianana io, hoy ny vazivazy zaritenany ao amin’ny tambajotran-tserasera izay raha madio ny fifidianana.

 

 Raha jerena tokoa ny fihetsiketsehana sy ny fandresen-dahatra mitranga etsy sy eroa amin’izao dia tonga amin’ny fomba filaza hoe mila ho tsy hita tabilao aloha ireo kandida hafa ankoatry ny an’ireo izay efa nanamafy hatrany fa « mpanangana fa tsy mpandrava. » hatramin’ny fifidianana ho filoham-pirenena no ho nankaty. Io fehezanteny io dia noporofoin-dry zareo amin’ny tsy faharavan’ny antoko niorenany hatramin’izao sy amin’ny alalan’ny fitsanganana vovonana vaovao mampiray ankolafin-kevitra samihafa. Ny etsy an*kilany kosa anefa dia tsy hay intsony ny antoko nipoirany ary na ny vovonana nampivondronana ireo parlemanta niray loko taminy teo aloha aza efa nosamatsamahana amina vovonana vaovao hafa indray izay na dia ny anarany fotsiny aza dia efa mampipetraka adihevitra maro. Asa na mba handeha amin’ny lojika amin’izay ny fandresena mitranga amin’ity na mbola hiteraka resabe toy ilay teo aloha ihany. Raha madio tokoa, araka ilay voalaza, ny fandehan’ny zava-drehetra dia sarotra ny hino fa mbola hitodika amin’izay efa tompom-pahefana ankehitriny izay fahazoana ny vaton’ny mpifidy izay amin’ity indray mitoraka ity. Na ireo mpandinika aza dia azo antoka fa tsy vitsy no hilaza fa tsy lojika politika. Misy feni-kevitra sy feni-tseho izay tsy azo ovana rahateo ny lafin-java-misy rehetra ary manana izay ihany koa ny tontolo politika. Izany no anton’ireny tsapan-kevitra na “sondage” izay fanao any amin’ny tany mandroso izay norarana mba tsy hilazana hoe mody norarana ny fanaovana azy teto amintsika ireny. Fa mialoha azy ireny dia efa misy tondro maro samihafa ahafahan’ireo manam-pahaizana manokana momba izany hitsarana sahady fa tsy tokony hivaona amina petra-kevitra iray ny valim-pifidianana hitranga. Ary na misy fiovana koa aza rehefa tonga ny fanambarana ny vokatra ofisialy dia tsy mifanalavitra amin’izay efa novinavinaina intsony  !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT