Edito

Rafitra fa tsy olona Aoka izay, Ampy izay !


  • Zoma 10 Febroary 2012

Tonga eo amina kihon-dalana iray goavana amin’ny fanovana tokoa ny tontolon’ny fitsarana eto amintsika, ary hita fa tena vonona ny hiatrika izany ireo mpitsara.

 Tsy nahomby tamin’izy ireo ny tetika ambadika saika hamotehana tsimoramora ny hetsika, ary izao vao tena hita misongadina ny fahefana mpitsara tsy manaiky hofehezin’ny fahefana mpanatanteraka intsony. Sady “Aoka Izay !” no “Ampy Izay !” izany ny an’ny mpitsara. Tsy mety intsony koa raha izao vao hiverin-dalana izy ireo satria efa maro loatra ny vava nivoaka sy ny toky nomena ka dia miandry ny rehetra hoe : ho tonga hatraiza marina ity fanovana goavana kasain’ny mpitsara hatao ity. Tsy tokony hitoky sy hanompo olona intsony isika, fa mianatra amin’izay ny manaja rafitra, izay no ambetin-dresaky ny ao amin’ny SMM rehefa manazava hevitra. Roso ny dia ka tsa mipody intsony, hoy izy ireo ka izay kaotiny eo dia vidiny.

Hita ho somary miahotrahotra ihany anefa ny governemanta manoloana izany rehetra izany, raha ny fanambaran’ny praiminisitra sy ny minisitry ny fitsarana no dinihana koa dia ho hita eo izay ho fivoakany. Milaza moa ry zareo mpitsara fa tsy misy ambadika politika mihitsy ny hetsika ataon’izy ireo ho amin’ny fanovana. Etsy ankilan’izay anefa dia mahita ny mpandinika fiarahamonina iray, fa toa miendrika ho fandrodanana an-kolaka, ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina izao fihetsiketsehana ataon’ny fianakaviamben’ny fitsarana izao. Iza no tsy mahalala, zovy no tsy mahafantatra fa nanampy betsaka ny fanamafisana ny fahefan’i Andry Rajoelina ny fitsarana, ary tena fitaovam-piadiana goavana namotehana sy nanilihana ireo mpifanandrina politika taminy, ka voalohany amin’ireny i Marc Ravalomanana.

Koa raha tsy hisy intsony ny teny midina, dia hanao ahoana moa ny zavatra hitranga eny amin’ny fitsarana eny, ato anatin’izao tetezamita izao ? Raha toa ka misy mamoha ireo dosie tamin’ny 2009, ka tena afaka miaro tena araka ny tokony ho izy marina ireo olona nampangaina, ary tena tsy mitanila ny fitsarana dia ahoana ? Hatsangana koa izany ny Haute Cour de Justice, hitsara ireo mpitondra izay be vinany. Mety hipongatra tampoka ihany koa izany ny raharaha boaderôzy, izay mahavoarohirohy manampahefana maro tato anatin’izao tetezamita izao. Sa ve apetraka tsara aloha ny fitoniana, mifanaraka ny rehetra dia izay hahavitana fifidianana eken’ny rehetra no imasoana, dia any amin’ny Repoblika faha-4 any indray mifankahita.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT