Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio Atoa Rabetokotany Herinjato Jacques Yves, mpandraharaha, manambady, manan-janaka mirahalahy. Kandida depiote ao Andramasina izy. Nisy ny resadresaka nifanaovana taminy. Dinidinika.
Tia Tanindrazana (T.T) : Raha ny fantatra dia tsy mpanao politika ianao, ka inona ary no antony nahatonga anao hirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ?
Rabetokotany Herinjato Jacques Yves (RHJY) : Amin’ny maha olom-pirenena ahy dia mahatsiaro ho manana adidy amin’ny tanindrazako aho. Tsy voatery ho ao anaty antoko politika vao mandray andraikitra amin’ny fanasoavana ny tanindrazana. Koa fanontaniana no apetrako aminao, nanana solombavambahoaka ve ity Distrikan’Andramasina ity hatramin’izay ? Mino aho fa tsy izaho irery no mametraka izay fanontaniana izay. Tsy hovaliako anefa io fa samia mamaly izany an’eritreritra. Antony faharoa dia tena latsaka an-katerena ny firenena vokatry ny adilahy politika misy eto amintsika, ka tsy mety ny saiko raha hitazam-potsiny manoloana izao fahantrana tsy roa aman-tany mahazo ny vahoaka, indrindra ny ety ambanivohitra aty izao. Ka amin’ny anaran’ny tenako no hirotsahako mba hitondrako ny anjara birikiko amin’ny fanarenana ny fahavoazan’ny tanindrazana. Dieny mbola tanora dia aleo mandray andraikitra raha sitrapon’Andriamanitra sy ny vahoaka.
TT : Firy moa amin’izao ny isan’ny biraom-pifidianana sy ny mpifidy eto amin’ny Distrikan’Andramasina ?
RHJY : 137 ny isan’ny biraom-pifidianana ary 69.000 mahery kely ny isan’ny mpifidy.
TT : Marobe tokoa ianareo nefa ny toerana hiadiana dia iray ihany. Ahoana ny fijerinao ireo Kandidà mpifaninana aminao ?
RHJY : Ohatry ny mpilalao eo ambony kianja io. Kilalao madio no irina. Zaraiko roa mazava tsara ny valinteniko: Etsy an-daniny, misy amin’ ireo mpifaninana no efa solombavambahoaka teo aloha. Iaraha-mahalala ny zava-bitany raha ny fahasahiranan’ity Distrika ity amin’izao fotoana izao no jerena. Akaiky indray izao ny fifidianana dia iny izy vao mipoitra eny anivon’ny vahoaka eny. Samy mahafantatra ny toerana sy ny laharana misy ity Distrika ity ankehitriny miohatra amin’ireo Distrika hafa eto Analamanga isika. Matoa aho milatsaka ho mpifaninana dia vonona hanompo sy hanasoa ny vahoaka fa tsy hilalao vahoaka akory. Etsy an-kilany kosa dia ao ireo mpifaninana tsy mbola fantatry ny olona tety anivon’ny Distrika raha tsy amin’izao fotoam-pifidianana izao, na amin’ny mahaizy azy io na amin’ny asa vitany taty an-tanindrazana. Miaina ao anatin’ny fitondrana demokratika isika ka apetraka amin’ny vahoakan’ny Distrika feno 18 taona no mihoatra ny safidy.
TT : Sao kosa ianao dia maika ny hahazo seza fotsiny ka rehefa lany eo dia mipetraka tsy manao na inona na inona, tsy fantatrao intsony ny vahoaka nifidy anao ?
RHJY : Tsy tokony hamaly izay akory aho fa ny vahoakan’ny Distrikan’Andramasina no mila mamaly izany, izany hoe ny fahafantarany ahy na teo aloha io na tao aorian’ny 2009 nisian’ny krizy mandrak’ankehitriny. Ny zavatra rehetra vita na tamin’ny fotoana tsy mbola nananako fikasana hirotsaka ho solombavambahoaka akory aza dia efa toky lehibe iray ho an’ny vahoaka fa tsy mpanao fampanantenana poak’aty ny tenako ary tsy hamitaka azy ireo velively raha sitrapon’ny Tompo ka tonga eo amin’ny toerana. Lavitra ahy ny kabary tsara lahatra mifono ronono an-tavy. Tiako koa ny milaza fa efa saika voatsidiko sy ny mpiara-dia amiko daholo ny Fokontany 135 ato anatin’ny Distrika hanaporofoako fa vonona aho hanompo ny vahoaka sy hitondra ny anjara birikiko amin’ny fampivoarana ity Distrika ity. Hitako tamin’izany ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny vahoaka, rehefa hita ny fery dia mora ny fitsaboana rehefa tonga soa aman-tsara eo amin’ny toerana. Hamehezako azy dia ny hoe : ny fomba tsy nety nataon’ny teo aloha dia tsy haverina intsony satria izay ilay fampivoarana tadiaviko. Ny tenin’ny mpanao politika iray izay no indramiko dia ilay hoe : “ny asa vita no ifampitsarana”.
TT : Araka ny hevitrao, inona no tokony ho toetry ny solombavambahoaka hitondra ity Distrika ity ?
RHJY : Voalohany, tokony ho solombavambahoaka manakaiky, mifanerasera ary mahafantatra tsara ny fiainan’ny vahoaka fa tsy olona variana eny ambony fiara 4x4 ka tsy mahalala ny vahoaka nifidy azy intsony rehefa tonga eo amin’ny toerana. Faharoa, dia tokony ho olona hitondra sy hanolotra lalàna mifanaraka amin’ny fiainan’ny vahoaka fa tsy ho mpanangan-tanana fotsiny eny Tsimbazaza eny.
TT : Inona moa izany no hoentinao hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka eto amin’ny Distrikan’Andramasina ?
RHJY : Betsaka ny fampivoarana tiako hoentina, indrindra indrindra eo amin’ny fiainan’ny tantsaha izay mandrafitra ny 95%-n’ny mponina ety anivon’ny Distrika miaraka amin’ny fahaiza-manaony manaraka ny fivoaran’ny teknolojia. Eo koa ny lafiny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora. Ary farany ny mikasika ny fandriampahalemana izay mampitaintaina sy mampiraviravy tanana ny vahoaka tokoa. Tsy hisy atao ankilabao na zanak’ikalahafa ny faritra ato anatin’ny Distrika fa hitovy ny fitondràna azy, izay no hampivoatra ny Distrika iray manontolo. Ny tsy adino dia ny tena andraikitra amin’ny maha mpanao lalàna ny solombavambahoaka, ny tenako dia vonona ny hanolotra lalàna mifanaraka amin’ireo fampivoarana ny fiainam-bahoaka voatanisako ireo. Ampatsiahiviko etoana fa manana ny teny filamatra hoe “Tanindrazantsika mivoatra” aho. Tsy hataoko raraka an-tany izany fa dia hampihariko raha sitrapon’ny Tompo sy ny vahoaka ka tonga amin’izany toerana izany aho.
TT : Inona ny hafatra omenao ny vahoaka ?
RHJY : Tsy adidin’olon-tokana ny fampandrosoana sy fampivoarana ny tanindrazana fa an’ny rehetra. Samy hametraka tantara ho an’ny taranaka faramandimby isika. Koa manainga ny rehetra mba hitondra ny anjara birikiny amin’izany.
Nangonin’i Nofy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.