Edito

Ra latsaka nahazoana toerana !


  • Talata 07 Febroary 2012

Raha araka ilay taratasy ampamoaka nosoratan’ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina, dia efa voaomana avokoa ny zava-nitranga rehetra manodidina ny fanonganam-panjakana natao tamin’ny 2009.

 Nanampy an’i Andry Rajoelina tamin’izany ireo mpanao politika, manamboninahitra zandary sy miaramila. Nisy ihany koa ny mpandraharaha namatsy vola ana miliara ariary ny hetsika. Voasoratra tao anatin’io taratasy ampamoaka io ihany koa fa ny alin’ny 6 febroary 2009 no nanatanterahana fivoriana teny Ambatobe mba hanomanana ny 7 febroary. 11 mirahalahy no nanatrika io fivoriana io, nahitana panao politika sy manamboninahitra efa misotro ronono sy mbola am-perinasa. Nambaran’ny taratasin’ny lietna-kolonely Charles ihany, fa niteny ny iray tamin’ireo mpivory hoe : tsy maintsy misy ny ra latsaka izay vao tafita ny tolona. Dia iny niaraha-nahita iny moa ny zava-nitranga tamin’ny sabotsy 7 febroary 2009.

Taorian’iny dia nihazakazaka ny toe-draharaha ary iray volana mahery kely dia nirodana ny fitondrana Ravalomanana. Fitsarana maimaika no natao momba ny raharaha 7 febroary, ary dia nailika tany amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny rihatra rehetra, tahaka ny hoe : sady nanentana ny olona hiakatra eny amin’ny lapa sy hiditra anaty faritra mena izy, no nametraka sakana, no nanome baiko no sady nitifitra izay rehetra nifanatrika taminy. Etsy ankilan’izay kosa dia tahaka ny anjely, madio tsy misy pentina, fotsy tahaka ny oram-panala Atoa isany, Andry Rajoelina, Dolin Rasolosoa, Sareraka, Monja Roindefo, nitarika ny olona hiakatra teny Ambohitsorohitra, izay efa fantatra tsara izao fa faritra mena. Olon-dehibe samy nahita fianarana izy ireo, ary mahalala tsara fa sarotra fehezina ny olona rehefa tafaraka maromaro amina vanim-potoana tahaka ireny, ary tsy maintsy misy foana ny manararaotra sy mihoa-pefy.

Koa nahoana no mbola nentina niaka-dapa ihany ? Sa ilay olona maty sy ra mandriaka marina ve no tanjona ? Mampalahelo sy mampahonena ny mahita ny mpiray tanindrazana maratra, mitondra takaitra na maty. Maharikoriko kosa anefa ny mahita ireo mpanao politika nampiditra ny olona tamin’ny kizo, miaina tsara, misimisy takolaka, miteronterona amin’ny seza fiandrianana, ary tahaka ny nanadino ny omaly. Tsy tongatonga ho azy ny 26 janoary sy 7 febroary 2009, ary rariny sy hitsiny raha averina ny fanadihadiana mba hahafantarana ny tena marina rehetra, fa tsy olona iray foana no ambara fa devoly indrindra eto amin’ity Madagasikara ity, ka hibaby ny heloky ny tsy maty manota rehetra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT