Propagandy sa propavandy?

Toy ny tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ihany dia mbola mipetraka


  • Alarobia 04 Desambra 2024

mandrak’androany ny fanontaniana hoe propagandy sa propavandy, araka ilay vazivazy,

no ataon’ny kandida sasany ato anatin’ity fifidianana kaominaly ity? Fampielezana hevitra sa fampielezana vandy na lainga? Tamin’ny fifidianana depiote moa dia nisy tamin’ireo kandida sasany no sahy nilaza fa tsy manao politika izy nefa milatsaka ho kandida depiote. Inona izany no mety nataony raha sanatria lany teo? Misy tamin’ireo sasany niteny toy izany aza moa no dia lany soamantsara mihitsy kanefa dia ilay atao hoe politika izay midika ho fitantanana ny fiarahamonina na tanàna na firenena sy fikatsahana izay hahasoa izany rehetra izany mihitsy no nolazainy fa tsy ho ataony. Tsy adala akory ny kandida sasany eto Antananarivo renivohitra raha milaza hoe tokony hanao politika avokoa ny olon-drehetra satria ny politika tena izy dia midika fanasoavana ny firenena. Noho izany, tsy misy olompirenena tokony ho afaka ao anatin’izany atao hoe fanaovana politika izany. Ankehitriny anefa dia mbola mahagaga hatrany fa mbola kandidà ho ben’ny tanàna eto Antananarivo toy ilay teo ihany koa no sahy miteny hoe enjana, hono, ilay politika ka tsy idirany. Tsy hanao izany koa, hono, izy. Tsy efa karazany naman’ny famitaham-bahoaka bevata sahady ve izany? Inona marina moa izany ilay natao hatramin’ny 19 novambra ka hatramin’izao? Propagandy sa propavandy?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT