Edito

Projet présidentiel”, fitiavam-bola sy voninahitra


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

Na fikojakojana ny lalana, na fanamboarana sekoly, na toeram-pitsaboana, na fizarana vary sy menaka dia lasa “projet présidentiel” avokoa ankehitriny.

Tsy misy ilàna ministera intsony izany eto amintsika fa dia ho atao eny anivon’ny prezidansa avokoa ny asa rehetra, ny ao rahateo moa tetibola goavambe. Ny olana dia sady zara fa vita ny asa no tsy mazava mihitsy ny fomba nahazoan’ny orinasa ilay tsena. Tsy misy irony “passation de marché” irony intsony fa lasa “asa maika” avokoa izay rehetra mandeha. Ny propagandy manakaiky, sady mila voninahitra ny mpitondra no mila vola. Ka tsy hay na izany indrindra no antony hanaovana ireny asa madinika rehetra ireny ho lasa hoe ny prezidansa no mizara asa avy hatrany. Dia aiza ilay hoe “décentralisation émergeante” nodradradraina vao fotoana fohy izay ? Fanahy iniana sa tsy fahaizana ny raharaham-panjakana no mahatonga ny mpitondra handray fanapahan-kevitra tahaka izao ? Raha ny tena marina mantsy dia efa tsy tokony ho eny amin’ny minisitera akory no hanaovana ireny asa ireny fa efa midina eny amin’ny faritra.Faritra izay mitombo isa tsimoramora fa hoe mba samy te hampandroso haingana kokoa ny azy amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana, kanefa….. Ny antsika izany dia ny mifanohitra indray no zava-miseho.
Tahina RAZAFINJOELINA
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT