Edito

Pr Razafiarivony Michel “Manabe olona ny gazetim-piangonana”


  • Zoma 01 Jolay 2016

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-150 taona nisian’ny gazety isika amin’izao fotoana izao.

 Tao anatin’izay fotoana lava be izay dia maro ny sedra efa nandalovan’ireo gazety teto Madagasikara toy izay nitranga hatrany  am-piandohana mihitsy ohatra tamin’ny gazety nisy teto voalohany dia ny « Teny soa hanalan’andro » izay nanomboka tamin’ny taona 1860. Maro ireo sivana nihatra tamin’ny faha mpanjaka fa indrindra nandritry ny fanjanahantany. Araka ny fanazavan’ny profesora Razafiarivony Michel izay nanao fikarohana manokana momba ny soa nentin’ny gazety Anglikanina azy moa dia ireo  gazetim-piangonana no hany nanabe ny maha olona sy nanangana ny firaisam-pirenena. Ny antony,  hoy izy, dia satria ireo gazety ireo dia nosoratana tamin’ny teny malagasy ary nizara fahalalana ho an’ny olona hatrany tamin’ny fampahafantarana ireo tantara, ny resaka toekarena, ny literatiora ary lafin-javatra hafa marobe mikasika ny malagasy na teo amin’ny lafiny fomba  izany na ny kolontsaina ihany koa. Tetsy an-kilany anefa ny mpanjanaka dia niezaka namafa ireo maha izy azy ireo tamin’ny alalan’ny filazana fa azy ireo ny tany ary manahaka azy fotsiny isika satria ratsy ny fombatsika, ny tenintsika ary tenantsika mihitsy izay mainty. Omaly tolankandro moa dia nanazava tamin’ny alalana vela-kevitra izay notontosainy teny amin’ny Akademia Malagasy eny Tsimbazaza mikasika io fandalinany io mihitsy ity profesora ity.


Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT