Edito

Potehana miandalana


  • Zoma 27 Novambra 2015

Manomboka miteraka resabe etsy sy eroa ankehitriny ny momba ilay fampiatoana ny zotram-piaramanidin’ny Air Madagasikara mankany Azia.

 


 Na ny mpiasan’ity kaompaniam-pitaterana ity na ny mpandraharaha na ny olon-tsotra dia samy taitra ny amin’ilay resaka. Fa inona no tena antony, ary inona no ao ambadik’ilay izy ? Mifanandrify amin’ny ho fahatongavan’ilay kaompania Tiorka amin’ny tapaky ny volana desambra izy ity ary nitranga taorian’ny fanomezana ny fitantanana ny seranan’Antananarivo sy Nosy Be hotantanan’ny Frantsay. Fifanandrifian-javatra fotsiny ve ? Raha misy ny fatiantoka na tsy fahampian’ny vola miditra, dia ny fampiatoana ilay sidina ve no tena vahaolana mahomby ? Inona sisa izany no hiveloman’ny Air Madagascar raha foanana io zotra fantatra fa tena be mpandeha io ? Ato anatiny efa misy kaompania tsy miankina mifaninana aminy, ny mankany ivelany efa tsy latsaky ny 4 ireo kaompania vahiny mifanandrina amin’ny Air Madagascar. Sa tena mitombina tokoa ilay hoe potehana miandalana ity orinasa ity mba hividianana azy mora avy eo ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT