Edito

Porofoy fa tsy ambadika !


  • Sabotsy 23 Septambra 2017

Olana novolena sa noriritin’ireo na ilay lohandohan’ny mpisorona mitarika ny tolon’ireo apahana mpitatitra am-piarakaretsaka eto an-drenivohitra ity fifanolanan’izy ireo amin’ny fiadidiana ny kaominina noho ny fanapahan-kevitra handraisan’ny Omavet an-tanana ny fitsirihana ny fiara ity ?


 Maro ihany ireo tranga nahagaga sy hita ho hafahafa avy amin’ireto milaza azy ho miaro ny tombontsoan’ny mpitatitra ireto hatramin’izay nisian’ny fanapahan-kevitra avy eo anivon’ny kaominina na ny CUA mikasika ity hoe fanatsarana kasaina hatao ity izay. Tany am-boalohany dia ny filazana fa midangana loatra, raha tsiahivina, ny saran’ny fitsirihana no nampitabataba ireto mpitatitra ireto ary teo ihany koa ilay hoe volabe no hanoloana ilay lanterna vaovao raha sanatria very. Na ilay voalohany na ilay faharoa anefa ankehitriny dia efa samy nolavina daholo satria dia nanambara ny CUA fa maimaimpoana ny fitsirihana ary toy izany koa ny fanoloana. Inona ihany no mbola mampitabataba ireo milaza azy ho mitolona kanefa fanampin’izay dia mbola miantso fifanakalozana ihany koa anio ny CUA. Inona no porofo mafonja azon’ilay na ireo mpitarika haseho ilazana fa tsy mpikarama an’ady izy na izy ireo ? Aiza no porofo ahafahana miteny fa tsy misy ambadika ny fitarihana ity tolona ity ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT