Edito

Porofoy, asehoy !


  • Talata 11 Septambra 2012

Mifantoka any atsimo ny sain'ny mpanara-baovao manomboka amin'ity anio ity satria tonga amina kihon-dalana iray lehibe ny ady amin'ny dahalo.

 Tsy fampandrian-tany na famerenana ny filaminana intsony no mitranga manomboka eto fa tena ady. An-kilany, ny tafi-panjakana ary an-daniny ny dahalo, izay voaporofo ihany izao fa manana tanjona hafa ankoatra ny halatra omby. May volon-tratra ny mpitondra tetezamita ka dia ny filohany mihitsy no hilatsaka any Betroka. Henjam-pitenenana manoloana ny mpifanandrina politika aminy i Andry Rajoelina, ka ho hita eo izay raha hovolagniny manoloana ny dahalo. Raha ny zava-misy hatramin'izao aloha dia tsy misy ny fifampiraharahana azo atao, fa fanafihana no fiarovan-tena tsara indrindra, ary izay mahay mandrindra sy mandamina ihany no mivoaka ho mpandresy. Milaza ny ho ampy olona sy ampy fitaovana ny foloalindahy malagasy, saingy eo amin'ny toe-tsaina hoenti-miady angamba no mila akarina kely. Izao vao tena hiatrika ady mafimafy kokoa ny zandary sy miaramila malagasy hatramin'izay 52 taona nisiany izay. Raha tsy resahana ny fifandonana tamin'ireo hetsika politika nifandimby teto ny taona 1971 ka hatramin'ny 2009, dia tsy misy afa-tsy ny raharaha kung fu tamin'ny 1985 no tena nanetsehana ny foloalindahy malagasy. Nisy ihany koa ny miaramilantsika efa nanatevin-daharana ny tafika iraisam-pirenena nampandry tany tahaka ny tany Soudan, Kaomoro… saingy tsy tena mbola ady be no natrehan'izy ireo tany.

Resaka hafa mihitsy moa ny hoe tolom-panafahana tamin'ny 1947 sy ny nanampian'ny miaramila malagasy ny tafika Frantsay tamin'ireo ady lehibe roa tany Eoropa. Nandray anjara tamin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2009 ny ampahany tamin'ny foloalindahy ary azo atao hoe tena nampiseho sandry sy fitaovam-piadiana mihitsy, na dia efa fantatra aza fa tsy dia olon'ny ady loatra ingahy Marc Ravalomanana. Raha nisy nampalaza ny fitondrana tetezamita dia ny fahakingany mampiasa ny miaramila sy zandary ary polisy manakana na mandrava ny hetsiky ny mpanohitra, ary tena miaramila mirongo fitaovam-piadiana no miambina ireo toerana tokony hahafahana naneho hevitra an-kalalahana.

Tahaka ny inona ny vata-miaramila niatrana teny Ivato rehefa re fa hoe ho avy i Marc Ravalomanana. Nandritra ireny fotoana rehetra ireny dia efa nanomana ny paikadiny ny dahalo ambony latabatra sy anaty akata, koa tonga ity ny fotoana hanaporofoan'ny foloalindahy fa tsy mpanao grevy ihany no resin'izy ireo. Tena nahazo tombontsoa betsaka ara-bola sy ara-pitaovana mihoatra ny mpiasam-panjakana rehetra ny miaramila nandritra izao tetezamita izao, mbola volam-bahoaka no hanohanana azy ireo amin'izao ady any atsimo izao, koa manantena ny olom-pirenena tsotra fa ho mendrika ny tombontsoa azony ny foloalindahy ary tena ho tandroka aron'ny vozona marina ka tsy hikoso-maso na hitarain-tana-miempaka amin'ny fifanandrinany amin'ny malaso. Hoy ny Ntaolo hoe : ny bainga voavadika no vavolombelon'ny mpiasa...!

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT