Edito

Politikan’ny entim-po


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

An-taonany maro izay no nanakoakoan’ny antso avo mikasika ny tokony hametrahana amin’izay izany fampihavanam-pirenena izany fa indrindra ny hampitsaharana ny valifaty politika eto amin’ity firenena ity.

 

 Raha ny zava-nitranga tato ho ato dia toy ny valifaty politika no lehibe indrindra ho an’ny fitondrana misy. Ny tena mampalahelo dia raha ventesin’ireo mpandala soatoavina fa tokony ho averina eto izany fihavanana sy firaisankina na koa fifamelomana izany dia toa tsy mety tanterahan’ny fitondram-panjakana fa ataony am-bava ihany. Maromaro ihany izay mpandraharaha goavana Malagasy voahenjika sy niharan’ny antsojay tao anatin’ity fitondrana ity izay. Isan’ny tao ry Mbola Rajaonah, ry Claudine Razaimamonjy, ry Ny Rado Rafalimanana ary ankehitriny moa izany dia io iaraha-mahita io ny manjo ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. Raha ny anaran’ireo aloha dia Malagasy. Ny ra mikoriana ao amin’izy ireo koa dia inoana fa Malagasy. Ny fitondram-panjakana izay manenjika fatratra azy ireny dia fitondram-panjakana Malagasy. Na atao aza, araka izany, hoe tena nisy tsy fanarahan-dalana sy fanodinkodinana volam-panjakana nihoampampana tokoa nataon’ireo, moa ve mba efa nisy fanadihadiana lalina ihany koa natao tamin’ireo mpandraharaha matanjaka hafa monina eto Madagasikara saingy tsy teratany Malagasy na Malagasy taratasy fotsiny ihany? Toa zary lasa isika samy isika hatrany no manaiky atao fitaovana mandrakariva hifamotika sy hifamono eto? Lasa politikan’ny entim-po sy ny lonilony politika anatiny no manjaka eto amin’ny firenena ka zary tsy voasaina intsony fa misy vahoaka Malagasy maro mivelona amin’ireny fananana mpandraharaha Malagasy hita ho hiharan’ny fanenjehana politika ireny. Na eo amin’ny resaka fanapahan-kevitry ny mpitondra aza dia ahitana taratra izany politika tsy am-pisainana fa entim-po izany. Firifiry moa izay sosokevitr’ireo ivelan’ny fitondrana notsikerain’ireo mpitondra izay kanefa nampiharina ihany avy eo andro maromaro taty aoriana saingy efa tara?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT