Dia miverina indray ny tantara ary tsy nisy niova na ny kely aza, taoarian’ny fampihemorana ny fitsapan-kevi-bahoaka, sy ny fifidianana Ben’ny tanàna, dia niverina tamin’ny teniny indray ary nanapa-kevitra ny hampihemotra ny fifidianana solombavambahoaka ho amin’ny fotoana manaraka ny fitondrana tetezamita. Fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny fihaonan’ny praiminstra Camille Vital tamin’ireo mpanao politika ny sabotsy lasa teo moa izy io. Efa nampoizina izany satria maro loatra ny fanankianana io datin’ny 16 martsa tafiditra ao anatin’ny fahavaratra io, ary mety mbola fandalovan’ny rivodoza mihitsy aza eto amintsika. Na ny mpanohitra na ny mpanohana ny fitondrana tetezamita dia niray feo fa tsy mety io daty io, ary tena mifanipaka amin’ny fanovana ambara fa apetraka eto, dia ny fanaovana ny fifidianana rehetra tsy an-kanavaka amin’ny main-tany. Nilaza ny jeneraly Camille Vital fa tsy maintsy nohenoina ny hevitry ny mpanao politika ny amin’ny maha mety na tsia io daty io.
Tsy misy maharatsy izany mihitsy, fa ny mahagaga dia ny hoe : fa nahoana raha mialohan’ny namoahana ilay didim-panjakana no nifampiresaka tamin’izay voakasika rehetra amin’ny fifidianana fa tsy aty amin’ny iray volana mahery aty aoriana ? Dia tena mbola tsy nahazo lesona tamin’ny lasa mihitsy ve Atoa Rajoelina sy ireo mpiara-miasa aminy no mbola manao ity politikan’ny lelon-jaza mitranga mihemotra ity ? Sa kosa efa tena paik’ady politika hanakorontanana fotsiny ilay izy, sa ve izay ilay ambaran’ny Frantsay hoe : «jamais deux sans trois» ? Fa dia tena mahagaga sy mahatalanjona mihitsy ilay fomba fiasa sy fomba fisainana, efa nahavitan’ireo be vazivazy ohabolana vaovao mihitsy moa izany manao hoe : «… araka ny fomban-dRajoelina izay tsy hita izay maharatsy azy : manao sonia aloha dia tsy mety manatanteraka avy eo, manaiky dia avy eo mandà, manome dia avy eo maka indray».
Tsy fahaiza-miasa ve, tsy fahamatorana ara-politika ve, sa tsy fahampiana’ny fahalalana sy ny fahaizana mihitsy, fa dia tongo-bakivaky ilay izy koa sady maharary no mahamenatra, hoe izany ve no olona mitantana ny firenena. Tsy tokony mahagaga raha nahatafavoaka ilay voambolana hoe «sans qualité», raha nilaza an’i Andry Rajoelina ireo mpitondra afrikanina sasany, nandritra ny fivorian’ny Firenena Mikambana tany New York, satria tena mibaribary loatra ilay tsy fahafehezana ny fitantanana firenena.
Mifamadika sy mifamototra daholo ny zava-misy eto satria ny mpitondra dia manao zavatra aloha izay vao mieritreritra, fa tsy mieritreritra sy mandinika aloha izay vao manao zavatra ! Maha resy lahatra ny maro fa izany fomba fisainan’ny FAT izany no anisan’ny antony iray lehibe mampitarazoka ny krizy : nambara foana mantsy hatramin’izay, nandritra ny roa taona fa tsy mifanaraka amin’ny hetahetan’ny vahoaka nitaky ny fanovana, hono ireo drafitra hamahana ny krizy, toa manaiky ilay satan’i Maputo ihany anefa ankehitriny, ka mazoto amin’ny fiaraha-mitantana. Na inona na inona ambara mantsy dia mazava ny resaka fa fampiharana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana natao tany Addis Abeba io ezahan’ny ankolafy politika maro samihafa tanterahana amin’izao fotoana io, saingy misy fotsiny ny fanitsiana kely, fa ny ankapoben’ny drafitra arahana dia mitovy amin’ilay nosoniavin’ny filohan’ny ankolafy 4. Mandroso dia mihemotra e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.