Edito

Politikan’ny andrankandrana


  • Alarobia 04 Martsa 2015

Andrasana ato ho ato ny fivoriana tsy ara-potoan’ny antenimieram-pirenena satria dia efa miala any indray ny tolo-dalŕna avy amin’ny minisiteran’ny atitany momba ny fanovana ny sata manokana mifehy an’Antananarivo Renivohitra, miaraka amina kaominina ambonivohitra roa hafa dia Nosy Be sy Sainte Marie izany

. Tsy nanaiky mihitsy izany ny fitondram-panjakana fa dia mahita hevitra foana hanovana ilay sata manokan’ny renivohitra. Mazava ny tanjona fa dia atao ilay izy mba hahafahana mifehy izay ho ben’ny tanàna eo sy mametraka olona amin’ny toeran’ireo delegen’ny boriborintany enina. Efa tompondaka amin’ny andrakandrana ny fitondran-dRajaonarimampianina, ka mampatahotra ny maro ity resaka fanovana ny sata mifehy ny renivohitra ity. Fa inona moa no olana goavana amin’ny endri-pitantanana misy eto Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana. Olana ara-politika eo amin’ilay ben’ny tanàna sy ny fitondram-panjakana no niverimberina teto fa tsy hoe ny rafitra misy ao amin’ny kaominina no tsy mety na tsy mahomby. Dia ho sanatria ve hanaovana andrakandrana politika ny renivohitr’i Madagasikara mba hiarovana fotsiny ny sezan’ny mpitondra ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT