Edito

Politikan-jaza?


  • Zoma 28 Oktobra 2022

Niova indray ny serasera, ka lasa fikaonandoha na fihaonamben’ny mpampiasa vola hijerena làlana ho an’ny fampandrosoana an’I Madagasikara indray, hono,

ilay fotoan-dehiben’ny Fitondram-panjakana anio, raha fampahafantarana ofisialy ny drafitra PEM no serasera niparitaka tany aloha. Toa namboarina mba hialana bala fa nisavoamboana ny politikam-pitantanana nisy teto hatramin’izay. Lazaina fa jery todika momba ny PEM indray, kanefa ny serasera tany aloha dia tena hoe: Fampahafantarana ofisialy na “présentation officielle”, taorian’ny tsy fahatanterahan’izany herintaona sy valo volana lasa izay. Fa inona no mahamenatra e? Sa matahotra an’ilay hoe: vakiana fotsiny fa izao vao mikofokofoka sy mitanisa vina vaovao izay toa efa fanombohana ny propagandy 2023? Tsy dia mifankaiza loatra amin’ireo teny mifanohitra samihafa toa nivoaka niditra tahaka ny lelon-jaza ireny, raha tsy hilaza afatsy ny hoe: tsy handroso isika na amin’ny 2060 aza raha hiantehitra amin’ny mpamatsy vola mahazatra fa rehefa izaho no eo dia isika indray aza no hampindrana an’I Kaomoro. Io anefa fa fatoran’ny vava natao satria ny lohahevitry ny zavatra hatao aza toa fikaonandohan’ny mpampiasa vola. Avy aiza ny ankamaroan’ireo? Moa tsy avy any amin’ny firenena Tandrefana andry iankinan’ny rafitra mpampindram-bola mahazatra? Moa tsy hireharehana indray ankehitriny fa atokisan’ireny, hany ka na ny sary itoviana amin’ny firenena maro aza lasa ampitenenina fa atokisan’izatsy na izaroa? Izany ve tsy efa tahaka ny politikan’ankizy amin’ilay hoe: “omeko, tsy omeko”? Tsy mpitondra tsy nisy kilemany, tsy nisy tsy nanana fahadisoana,… saingy ity no tsy mba hanaiky sy hanitsy ny diany mihitsy, tsy mba hiainky ny fahadisoany sy ny tsy fahombiazany, toa tsy mba mitafy henatra sy tsy manana etika. Mbola mieritreritra fa azo atao tsara ny mibetroka sy mitrerona ary mandrangaranga hery amin’ny hafa mba hiforitra sy hanaiky fa mbola izy ireo no mila mitondra ny firenena mandritra ny dimy taona. Eny fa na efa miha rendrika hatrany aza ny Firenena, dia mila izy no eo. Raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT