Edito

Politika tranainy


  • Talata 09 Mey 2017

Vitsy angamba ny mpanara-baovao tsy ho kivy raha mahita ny fihemorana amina lafin-javatra maro mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny,

raha tsy ampahatsiahy afa tsy ny resaka ady amin’ny kolikoly izay lasa laharana faha-147 raha 128 amin’ny firenena 170 teo aloha. Eo koa ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay lasa faha-57 raha faha 56 amin’ny firenena 180 teo aloha. Manampy trotraka ny fisondrotan’ny vidim-piainana vokatry ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay isam-bolana hatreto tamin’ity taona ity. Fa mahakivy lavitra anefa ny fihetsiketsehana mitranga sy ny zara mitanila atao amin’ireo trondrobe amin’ny kolikoly voatery namoahana didy toa an’ny talen’ny kabinetran’ny fifandraisana teo aloha izay asaina mandoa ny 1/4  monja amin’ny vola voalaza ho nahodiny ary ilay mpandraharaha ikoizana vetivety dia nahazo fahafaha-mitsabo tany andafy kanefa na olon-tsotra tsy voapanga aza mitaraina ho sahirana vao mahazo izany. Izao ve no famerenana ilay politika tranainy novoizina tamin’ny taona 70 sy 80 hoe « Raha tiana ny hijanona mandra-pahafaty eo amin’ny fitondrana dia abadohy ny vahoaka, hampahantrao ary poteho ireo manana ny ampy izay misy ny tia karokaroka ? »

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT