Politika mivaralila !

Betsaka ny sary sy tranga ara-politika mety hiseho amin’izao fotoana izao.


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Ny mpinamana omaly mety hisara-dàlana anio, ny mpifanandrina mety hampitovy tadin-dokanga,…

Ny hany fanontaniana mipetraka kosa dia ny hoe : ho an’ny tombotsoam-bahoaka sa tombotsoan’antoko na filohan’antoko ? Toa efa zary kolontsaina politika novoizina teto rahateo mantsy ny hoe : rehefa tsy misy ny tsy fitovian-kevitra ao anaty antoko na vondrona iray dia sokajiana ho mpamadika. Zary sary politika fahita eto ny lehibe tsy mba meloka, fijerena arina an-tava ka arahana amin’ny onjany ny mpitantana ambony eo amin’ny firenena na eo amin’ny antoko mety ho sokajiana matanjaka,… Zary tsy ny vinam-piarahamonina sy ny programam-pampandrosoana intsony no mason-tsivana amin’ny fifidianana fa ny politikan’ny ratsy tarehy mangata-bady ka ny anaran-dRay no enti-mangataka. Mandeha ny fampitenenana anaran’olona, raha tsy hilaza afatsy ny fampiasana ny anaran’ny filoham-pirenena ankehitriny izay natao fitaovana hatrany tamin’ireo fifidianana nisy. Mety ho tafiditr’io viriosy politika ihany koa ny avy amin’ny fanoherana, ary betsaka ny mpanara-dia politika voataiza amin’ny zavatra tahaka izany. Zary lasa miova sy miofo ho fanompoana tsangan’olona ilay politika avy eo ka na mety na tsy mety ny ataon’ny mpitarika dia mila hobiana sy tompoina hatrany. Betsaka no manaraka an-jambany ka na inona na mety na inona tsy mety ataon’ireo mpitarika, dia mila tehafana, ary mety ho ny finiavana hikipy amin’ny mety efa lesoka sy fahalemena politika avy amin’ireo mpanaraka aza no mety hiteraka fahatokisan-tena diso tafahoatra sy fanapahan-kevitra diso. Dia mandeha ho azy ohatran’ny kiraron’i Beminahy eny fitantanana ny firenena sy ny fanaovana politika, fa tsy misy mpanitsy sy mpamerin-doha intsony !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT