Politika mirefarefa !

Rehefa ianao no misioka dia voromanga fa rehefa ny hafa dia vorondrolo?


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Rehefa tsy metimety amin’ny fomba fijerinao na sy ny tombotsoa politikanao dia fahavalo sy soketaina

na hosoram-potoka amin’ny fomba rehetra ? Miha mivaona hatrany ny fanaovana politika eto, misy ny lasa diso adversera, ka raha ny fitantanana tsy mahomby, ny fampahantrana vahoaka mivantana na ankolaka, ny fahantrana amin’ny endriny maro,… no tokony ho fahavalo iraisana, dia ny mpifaninana ara-politika amin’ny fifidianana no lasa fahavalo voalohany ! Moa tsy izany ve no tokony hotoherina ? Tao anatin’ny 15 taona, niaraha-nahita sy niarahana niaina teto ny tsy fahombiazana rehefa nisy ny fanonganam-panjakana sy ny fakana fahefana tamin’ny tsy rariny. Nanjakazaka ny mpitondra naka fahefana tamin’ny tsy rariny, tsy nisy arofanina fa niharatsy ny fomba fitantanana, niha potika tamin’ny lafiny rehetra ny firenena. Moa tena nahomby ve ny fanoherana tao anatin’izany ? Moa tena fanoherana araka ny tokony ho izy sa nisy ihany sarin’ady politika samihafa ? Dia rehefa misy fijery hafa mipoitra, rehefa misy endri-panoherana hafa mitsangana,… ve dia haratsiana sy soketaina ho tsy tena mpanohitra ? Sao mba diso fahavalo e ! Tsy mpifahavalo ny mpilatsaka hofidiana fa mpifaninana, ka tokony hakarina ny lentan’ny adihevitra fa tsy atao mifototra amin’ny fomba fiady mirefarefa amin’ny tany. Tsy aleo ve samy miasa sy tena manasoa vahoaka, fa tsy milalao ny sainy amin’ny politika mirefarefa e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT