Edito

Politika hafa mihitsy


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Efa nazavaina teto moa ny hoe tsy mba ilay politika avo lenta toy ny hita any amin’ireo firenen-dehibe na firenena miha mandroso akory no hita eto amin’ity firenena ity ankehitriny fa dia tena hoe iva lenta,

mba tsy hilazana hoe mirefarefa. Efa noresahana foana teto ny hoe ilay filoham-pirenena aza dia mizara vary amin’ny vilia sisa no ataony. Mamantsipantsika dabilio sisa no ataony. Mampametra-panontaniana mihitsy hoe sao dia tsy fantany akory aza hoe tsy tokony ho asany izany? Tendrena ny minisitra sasany lazaina fa vaovao nefa jerena ankehitriny ny ataon’izy ireo, toa mbola ilay mizarazara “cobra” eran’ny tanana ihany? Toa mbola tsy ahitana mazava ihany hoe mankaiza marina ity diplaomasia eto Madagasikara ity? Toa mbola misy sy misongadina ihany ilay antsoina hoe “super ministre” ao anatin’ilay governemanta? Aiza izany izao ny feon’ireo minisitra hafa, indrindra, ireo vao nandray toerana fa toa ny minisitry ny fitsarana ihany hatreto no tena andrenesam-peo? Lava dia lava ny fanontaniana raha tohizana fa ny tena zava-dehibe ao anatin’izy rehetra dia hoe inona izany izao no fiantraikan’ilay governemanta navaozina any am-paosin’ny vahoaka? Any amin’ny aty vilanin’ilay vahoaka? Efa mba nihena amin’izay ve ny fahantrana eto amin’ity firenena ity? Efa mba mihena ve ny tsy fandriampahalemana ahafahan’ilay olompirenena mihary am-pitoniana mba handrosoan’ny toekarena anatin’ilay firenena? Izany rehetra izany santionan’ny fanontaniana mila valiny amin’ny alalana vokatra azo tsapain-tanana sy hita mivaingana daholo. Politika hafa mihitsy sisa ankehitriny no hita miseho. Politikan’ny fifamoahana dosie! Miala amin’ny fifaninanana horonam-peo izay ahenoana resaka tokony ho tsiambaratelom-panjakana ny sasany, tokony ho fiainana manokana ny sasany dia ireny indray fa nahoraka ny faran’ny herinandro teo ny sary sy dosie sasany momba ilay tomponandraikitra vao notendrena vao tsy ela. Dia toy izany foana no zary fiainam-pirenena andrasana eto ao anatin’ny herinandro sisa. Politika anefa amin’io no resaka. Maha lasa saina mihitsy hoe firy isan-jaton’ireo mpitondra sy mpanao politika eto amintsika eto ireto ary re izao no tena mba mahafehy ny tena famaritana na “definition” an’izany atao hoe politika izany e !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT