Ny fotoam-bita tokoa tsy mahaleo ny sampona, fa dia tsy teraka omaly indray aloha ny governemantan’ny firaisam-pirenena na dia efa nahoraka be hatramin’ny zoma lasa teo aza fa ny alarobia (omaly) no ho fantatra avokoa ny anaran’ireo ministra. Tena saro-piterahana araka ny efa notaterina teto izy ity satria be loatra ny ady varotra. Toa nidi-kizo ihany ny teny Mahazoarivo raha niantso ny olona hanatitra ny CV satria 500 latsaka kely no tonga teny ary izay nojerena dia babany avokoa, an-taratasy aloha ny resaka eto. Re fa mafimafy ihany koa ny ady varotra any ambadimbadika any, ka ifandroritana ny hoe mpanao politika sa teknisianina, tanora ve sa efa dinôzôro zatr’ady no hampidirina anatin’ity governemanta ity.
Tsy maintsy tandremana tsara ny fifandanjan’ny solontenan’ny isam-paritra, ary tsy maintsy tafiditra ao anatin’ny kajy koa ny isan’ireo vondrona politika. Sarotra ny fanapahana ka tsy maintsy nangatak’andro hieritreretana indray ny filohan’ny FAT sy ny praiministra, ka mety ho rahampitso zoma na ny sabotsy izao indray, hono, vao ho fantatra ireo anarana rehetra. Toerana politika araka ny safidy politika ve, sa toerana politika noho ny antony ara-teknika no hanendrena ireo ministra ? Tena mbola teti-panorona lalina dia lalina izany rehetra izany ary raha tsy mahay mandanjalanja ireo fepetra rehetra ireo Atoa isany Andry Rajoelina sy Camille Vital dia ho raharaha no hitranga eto. Ry zareo ao amin’ny HPM moa dia iny efa nampitandrina iny fa mila omena tombony ireo nanao rangopohy teny Ivato. Ka raha izany no izy dia mety fotoam-bery sy taratasy lany ihany ny an’ireo nanatitra CV teny Mahazoarivo satria tsy hisy mihitsy ny fanendrena olom-baovao fa ny efa zatra ady sy zatra miasa no tafiditra ao amin’ilay governemanta, efa tena matanjaka be mantsy ny famandrihan-toerana mialoha ka sarotra ho an’ny lehibe ihany no hitsipaka ireo maro be nanohana ny FAT hatramin’izay.
Fa mbola olana hafa ihany koa ny hoe : ministra iza amin’ireo am-perinasa no hoesorina ? Io ilay efa nambara teto ihany hoe fihetsiketsehana sy fombafomba fotsiny no natao fa efa vita mialoha ny fanendrena satria efa fantatra maloha ny anarana sy ny antoko hiditra ao. Tsy dia hisy zava-baovao firy, fa dia ny tonta ihany no havadibadika, ary olona mitovitovy fomba fijery amin’ny filohan’ny FAT sy ny praiministra no tendreny, izany hoe mitovy fomba fijery amin’ny ankolafy Rajoelina no hotendrena ho ministra eo, fa raha manana fomba fijery sy fomba fisainana hafa mantsy dia horoahina sy hosoram-potaka tahaka ilay ministry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra teo aloha, tsy nisalasala nanome ny fahazoan-dalana ho an’ilay mpandraharaha fahefatra amin’ny sehatry ny telefaonina sy ny fifandraisan-davitra eto amintsika. Izany ve no atao hoe fiaraha-mitantana sy marimaritra iraisana ? Tena hampihavana ny mpiray tanindrazana marina ve izany ary hampandroso ny asa sy hamaha ny krizy ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.