Edito

Politika diso toerana


  • Alarobia 18 Novambra 2015

Miditra lalina loatra amin’ny raharahan-tokantranon’ireo mpanakanto ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Asa tanana.


 Tsy mitombina velively ny fanapahan-kevitra tsy ampiheverana nataon-dramatoa minisitra nanala tamin’ny toerany ny talen’ny OMDA. Tsy fahefan’ny minisitra mpiahy mantsy ny manaisotra ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona ity, araka ny feo iombonan’ireo artista marobe tompon’ny petra-bola be indrindra. Niezaka nifampiraharaha ary mbola manohy ireo hetsika fandresen-dahatra ny minisitra tsy hampihatra io politika diso toerana fanesorana ny mpitantana io moa ireto masoivoho mpivoy ny soatoavina sy ny kolontsaina Malagasy ireto. Raha tsiahivina dia fandaminana ny lafiny ara-bolan’ireo artista mpikambana ao amin’ny OMDA no antony nanesoran’ny minisitera mpiahy ity lehiben’ny rafitra mikirakira ny zon’ny mpamorona eo Madagasikara ity. Mazava anefa ny hafatra avy amin’ireo tompon’antoka voalohany amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina Malagasy. Tsy ekena ny fampidiran’ny Fanjakana fanapahan-kevitra politika eo ny tontolon’ny zavakanto toy ny noraisin-dramatoa mpikambana ao amin’ny governemanta ankehitriny, manizingizina anefa ity farany fa sampana miankindoha amin’ny minisitera sahaniny ny OMDA, ka fahefany feno ny manolo ny Taleny.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT