Edito

Politika avo lenta


  • Alakamisy 07 Mey 2015

Manangam-bovona ny Sefafi na sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena fa hoe fanonganam-panjakana no natao nandritra ny dinika ho an’ny fampihavanam-pirenena teny Ivato.

 

 Toa manamafy ny resaka vondron’olona izany fa tsy nisy nilana azy iny zaikabe iny. Fa tena izay tokoa ve no marina ? Tsy nisy mihitsy ve na dia andalana iray aza tao amin’ireo fehin-kevitra nodinihin’ny vaomiera 10 ka mba naharesy lahatra ny Sefafi fa ilain’ny firenena ? Mazava tsara anefa ny resaka fa tolo-kevitra no nivoaka teny Ivato fa tsy hoe zavatra tsy maintsy tanterahana rahampitso ary na ny filoham-pirenena aza dia efa nilaza fa hodinihana ny fomba hampiharana ny fehin-kevitra, araka izay hita fa mety. Ka inona moa no mampitratrevatreva ny sasany milaza fa tsy mety, tsy ara-drariny ny fihaonambem-pirenena teny Ivato, fa andrasana hivory miaraka ve ny vahoaka malagasy 22 tapitrisa vao hanaiky fehin-kevitra ? Azo sary an-tsaina fa hasiaka ihany koa manoloana iny ny fanambarana hivoaka avy amin’ny fivoriamben’ny Eveka. Fa iza izany no tena manao politika avo lenta eto e ?

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT