Edito

Poizina


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Poizina ho an’ny fanjakana iray rehefa ny Mpitondra no mihevi-tena ho mafy sy matanjaka ka tsy te hahalala ny hevitry ny hafa intsony amin’ny fitantanana firenena.

 

 

 

Zary lasa manenjana sy miezaka manao izay fomba rehetra hanamafisana ny toerana amin’ny alalan’ny fikitikitihana sy fanefena ny lalàna ho amin’izay maha mety azy, mampiasa ny fahefam-pitsarana ho amin’ny tombotsoa politika,… Manenjika, mamoritra, mampitahotra, managadra,… Tsy misy arofanina intsony satria sokajiana ho malemy sy tsy misy hafitsoka ny mpanohitra, hany ka dia manao izay danin’ny kibony ny mpitondra fa tsy misy arofanina intsony. Mafy sy nahazo isam-bato ambony tamin’ny fifidianana Filoha, nanana depiote sy ben’ny tanàna maro an’isa foana ireo Filoha niongana teto, saingy tsy naharo azy ireo izany. Efa tonga amina teboka iray sarotra indrindra hampirokoa azy na « point culminant » ny fanjakana anketriny, hoy ny mpanao politika sady mpandinika anankiray. Endrika ratsy an’ny firenena. Loza ho an’ny firenena rehefa mihevitra ny tenany ho tsy refesi-mandidy ny Fanjakana, mahatoky ny hery sy fahefana eo am-pelantanany,… ka mihevitra fa ny heviny sy izay masaka an-dohany ihany no mety sy tsy azo tanterahina. Ny tena manahirana anefa, dia tena manana fahamarinan-toerana ny mpitondra fanjakana. Fifidianana ambany ny taham-pandraisana anjara, ahiana ho nisy hosoka bevava, toherin’ny vondrona sy ankolafin-kery samihafa,… Atao hoe 50% tamin’ny mpifidy voasoratra anarana 10 tapitrisa no tonga nifidy. Ny antsasa-manilanilan’izay dimampolo izay no nandany ny Filoha izany hoe 2,5 tapitrisa. Misy amin’ireo no diso fanantenana, ny fanjakana mbola mampitombo fahavalo,… Aleo mitandrina sy manitsy ny dia fa ny mahery tsy maody tsy ela velona e

 

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT