Edito

Pitik’afo kely monja…


  • Talata 03 Novambra 2020

Ny mahery tsy maody tsy ela velona, ary raha malina aza mifehy hazo tokana, hoy ny oha-pitenenana.

 

Tsy hay izay haloaky ny ampitso, ka mety ho poizina ny fahatokisan-tena diso tafahoatra. Mitombina tanteraka io amin’ny politika, ary efa betsaka izay lesona azo notsoahina izay. Betsaka izay mpitondra nampiasa hery izay, ary azo lazaina ho mbola fifidianana tsy dia tena niteraka adihevitra aza ny nahalany ny ankamaroany, eny tena azo nolazaina ho nanana fahamarinan-toerana kanefa nitsimbadika ny rasa. Tsy naharo ny seza ny olom-boafidy maro nananana, ny fananana maro an’isa tamin’ny andrim-panjakana mpanao lalàna,… Ankehitriny, mbola io no sary mipetraka ary ny hany mba teo am-pelantanan’ny mpanohitra aza io hanaovana fahirano io. Tsisy arofanina politika sy ara-piarahamonina intsony ny mpitondra fa tena manao izay danin’ny kibony. Tsy te hihaino eo anatrehan’ny adihevitra mafana, toy ny resaka ara-pomba, ara-drazana, ara-tantara,… eny fa efa misy manasokajy ho mpanota fady sy mpanitsakitsaka ny soatoavina Malagasy. Mizotra makany amin’ny fandrangarangana hery, fanagadrana, fisamborana, fampihorohoroana,… Ny nanenjehana ny teo aloha no miverina. Etsy ankilany, sambany niiba ny toekarena tao anatin’ny 60 taona, mitotongana fari-piainana, mihombo ny loza sy rà mandrika, mamely ny valanaretina samihafa, miha mahantra ny olona,… eny tena sahirana ny vahoaka. Marina fa mahatsapa ho miasa ny Fanjakana, saingy tsy EPP manara-penitra 10 amin’ny kaominina 1690 mahery, ohatra, no hahatampina ny mason’ny Malagasy. Ny aferafera mandeha, ny fitantanana tsy misy mangarahara, tsy mitsinjara ara-drariny ny harena,… Pitik’afo kely monja dia mety hiteraka fipoahana.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT