Edito

Penjy Randrianarisoa Kandida ofisialy TIM ao Ivato


  • Zoma 08 Mey 2015

«Fandraisana andraikitra no nanosika ahy ho kandida ben’ny tanàna eto Ivato», hoy Penjy Randrianarisoa nandritra ny fametrahany ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana teny amin’ny Ovec Ambohidratrimo omaly.

 

«Fandraisana andraikitra no nanosika ahy ho kandida ben’ny tanàna eto Ivato», hoy Penjy Randrianarisoa nandritra ny fametrahany ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana teny amin’ny Ovec Ambohidratrimo omaly. “Tonga ny fotoana hitondrako ny anjara birikiko amin’ny fanarenana ny tanànan’Ivato”, hoy ny ny fanazavan’ity mpanao gazety efa zatra mifanerasera amin’ny mpiara-belona ity. Tsy nisy mihitsy ny olana tamin’ny fisafidianana ny anaran’izay olona hitondra ny fanevan’ny antoko naorin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc teo anivon’ny samy mpikambana eny an-toerana. I Penjy Randrianarisoa izany no kandida ofisialy natolotry ny mpikambana ifotony 100% ary nahazo ny tso-drano avy amin’ny birao foiben’ny Tiako I Madagasikara niaraka tamin’ireo lisitra mpanolotsaina atolotry ny antoko TIM amin’ny fifidianana Kaominaly ny 31 jolay 2015 izao. Izy no kandida Ben’ny tanàna  mpifaninana faha-4  ao amin’ny Kaominina Ivato, araka ny fanampim-baovao avy amin’ny filohan’ny OVEC Ambohidratrimo. 10 kosa hatreto no isan’ireo kandida nanatitra antontan-taratasy hifaninana ao anatin’ny Distrikan’Ambohidratrimo.

Ramano F.

Kandida Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa notronin’ireo mpanolotsaina iray lisitra aminy teny amin’ny OVEC Ambohidratrimo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT